The Reptile Database
Fiseho
Ny The Reptile Database dia angon-drakitra momba ny taksinômia ho an' ny karazam-biby misy rehetra izay antsoina matetika hoe "biby mandady", izany hoe ny bibilava, ny androngo, ny voay, sfenôdôna, ny sokatra ary ny amfisbena. Tsy mikasika ny dinôzôra itỳ tranonkala itỳ, ka tsy tafiditra ao anatin' ny angon-drakitra noho izany ny vorona.
Naorina tamin' ny taona 1995 amin' ny anarana hoe EMBL Reptile Database itỳ angon-drakitra itỳ, fony mbola mpianatra nahazo diplôma tao amin' ny European Molecular Biology Laboratory ao Heidelberg (any Alemaina) ny mpanorina azy, Peter Uetz. Tamin' ny Septambra 2020, ny angon-drakitra momba ny biby mandady dia nisy karazana 11 300 eo ho eo.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://reptile-database.reptarium.cz/