The Plant List
The Plant List dia angon-drakitra an-tserasera momba ny karazan-javamaniry fantatra rehetra tamin' ny taona 2013, voarakitra araka ny anarany siantifika. Izy io dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin' ny Kew Gardens sy ny Missouri Botanical Garden, izay nanambatra ny lisitry ny zavamaniry tao amin' izy ireo sy tamin' ny hafa koa. Tsy niasa izy io nanomboka tamin' ny 2013, ary nosoloina ny World Flora Online. Ny lisitra voalohany nivoaka tamin' ny Desambra 2010 dia ahitana anarana siantifikan' ny karazan-javamaniry miisa 1 040 426, ka ny 298 900 (28,7 %) amin' ireo dia anarana ekena fa ny ambiny dia anarana manondro karazana mitovy (synonyme) na anarana misy olana. Izy io dia nikendry ny hanome lisitra feno ho an' ny karazan-javamaniry misy lalan-dranon-kazo (zavamaniry mamelana, kônifera, ny ampanga sy ny zavamaniry mitovitovy aminy) sy ho an' ny briôfita (volombato sy ny hepatika).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: http://www.theplantlist.org/