Tetraôgala persiana
Ny tetraôgala persiana na tetraôganan' i Persia na tetraôgala kaspiana (Tetraogallus caspius) dia karazana vorona ao amin' ny fianakaviana Phasianidae. Hita any any atsimo sy atsimo-atsinanan' ny Ranomasina Kaspiana, any amin' ny tendrombohitra atsinanana amin' i Torkia, any Armenia, any Azerbaijàna, any Torkmenistàna ary manerana ny Tendrombohitra Alborz any avaratra amin' i Iràna izy io. Miteraka any amin' ny haabo 1 800 hatramin’ ny 3 000 m eo amin' ny tany be vato misy kirihitra kely izy. Manao akany amin' ny tany tsy misy zavamaniry izy ary mametraka ny atodiny manopy maitso miisa 6 hatramin’ ny 9 ao anatin' izany, izay kotrehin’ ny vavy ihany. Ny sakafony dia voamadinika sy zavamaniry. Miaraka anaty andiany kely izy amin’ ny fotoana tsy anatodizany.
Mirefy 56 ka hatramin' ny 63 sm ny halavany, 95 ka hatramin' ny 105 sm ny halavan' ny elany ary 1,8 hatramin' ny 2,9 kg ny lanjany. Miloko volondavenona, volontsôkôlà, fotsy ary mainty ny volony, saingy toa volondavenona hatsatra rehefa tazanina lavitra ity vorona ity. Miloko volondavenona hatsatra ny tratrany, fotsy ny tendany ary misy fotsy eo amin’ny ilany hatoka, ary volondavenona matroka ny tendany.
Eo am-panidinana ity vorona malina ity dia mampiseho volo fotsy sy ambany rambony fotsy. Mitovy ny volon’ ny lahy sy ny vavy, saingy kely kokoa sy manjavozavo ny bikan' ireo mbola madininika. Misy karazany telo izay tsy mitovy fatran-dokom-bolo ity vorona ity, ka ny any amin' ny faritra andrefana mazavazava kokoa fa ny any antsinanana matroka kokoa.