Hankany amin'ny vontoatiny

Terminalia catappa

Avy amin'i Wikipedia
Terminalia cattapa

Ny Terminalia catappa dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Combretaceae. Hazo fihinam-boa lehibe avy any Ginea Vaovao izy io. Afaka mahatratra haavo eo amin' ny 20 m eo ho eo izy.

Vondrom-binin' ny Terminalia cattapa

Efa niparitaka sy nanjary fahita any amin' ny faritra trôpikaly maro izy io, anisan' izany ny any Azia, ny any Aostralia, ny any amin' ny nosy maro ny Pasifika, ny eto Madagasikara ary ny ao Seisely. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe antafana, atafa, atafana, hafafo, hatafa, hatafamena, hatafana, hatofa. Mifototra amin' ny anarany maley hoe ketapang ny mpamaritra anaran-karazany.