Teratanin'i Amerika
Ny teratanin'i Amerika (amin'ny teny anglisy Native Americans) dia olona nipetraka teo amerika teo aloha ny eoropeanina. Amin'ny fiteny anglisy, Native Americans ny anarana omena azy matetika. Araka any fomba vaovao fahatongavan'ny teratany ny amerika tany amerika, avy any Eorazia ny teratan'ny amerika ary tonga tany amerika tamin'ny Beringia taloha (mbola tsy nisy rano teo amin'ny detroit de Bering tamin'izany fotoana izany). 12 000 taona lasa ny fifindra-monina farany. Ny Paleô-indianina ireo dia niparitaka manerana ny Amerika, niova ary nihabetsaka ny kolontsaina sy ny fiteny noho ny fiparitahany. Ny teny Indianina dia avy amin'i Christphe Colomb, nihevitra hoe tonga tany Azia (India Atsinanana) izy nefa tany amerika izy no nitotona, noho izany dia lasa indianina ny anarana nomeny an'ny teratany satria tamin'izany fotoana izany, mbola tsy fantatra ny fisian'ny kontinenta amerikana (izy irery ny anisan'ny voalohany nihampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin'izany fotoana izany).
Betsaka ny foko indianina mihaza sy mioty, misy maromaro ihany koa mamboly. Misy fiaraha-monina miaina amin'ny fambolena ary misy sasany hafa mamboly, mihaza ary mioty. Misy faritra any amerika mbola ipetrahan'ny terataniny; Any Meksika sy any Bolivia izao no tena betsaka teratany indrindra any Amerika raha miresaka ara-kevitra (proportion). Ary misy fiteny teratany maro mbola be mpiteny, toy ny fiteny Nǎhuatl, ny fiteny Maya sy ny fiteny Guaraní. Olona amana tapitrisa no miteny ireo fiteny ireo. Misy koa teratany mbola tsy fantatra ary mbola tsy ary nahita Eoropeanina. Misy izao ohatra teratany any Brezily (Amazonia) mbola tsy hita mihintsy.
Votoatiny
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
Amerika avaratra[hanova | hanova ny fango]
- Mponina Indianina ny tany Arktika|
- Mponina Indianina ny tany lemaka
- Mponina Indianina Sobarktika
- Mponina Indianina ny Atsimo-andrefana
- Mponina Indianina ny Atsimo-antsinanana
- Mponina Indianina ny Moron-tsiraka avatra-andrefana
- Indianina ny Grand bassin
- Kalifôrnia
- Plateau
Mponina[hanova | hanova ny fango]
Ny amerika dia voazara amin'ny faritany 9. Ny olona miaina ao anaty ny faritany ireo dia manana fomba fiainana afa nohon'i olona miaina anatin'y faritany avaratr'andrefana (oatra).
Ny Vondrona manjaka ohatra anatin'y faritany ny tanin'ahitra (prairie) dia Ny vondrona Siouan (foko Deghihas, Chiweres, Dakotas...).
Finoana[hanova | hanova ny fango]
Teny Indinanina[hanova | hanova ny fango]
Teny Aljika[hanova | hanova ny fango]
Ny teny wiyot, miami, illinois, etchemin, loup A, loup B, mahican, massachusett, mohegan, pequot, nanticoke, narragansett, pamlico, powhatan, kiripì, naugatuck, unami, unquachog sy shinnecock dia maty daholo ; ny mpiteny wiyot (Della Prince) farany dia maty ny fahanterana taminy taona 1962. Ny teny sasany rehetra dia mety maty koa. 12 sisa ny mpiteny Yurok
Teny Algônkiana[hanova | hanova ny fango]
Afaka zaraintsika vondrona roa ny teny algônkiana : Ny Algônkiana ny tany lemaka (Etazonia) sy ny algônkiana ny alabe ny antsinanana (Kanada).
Misy mponina miaina anelakelan'ireo toerana roa (tany lemaka sy ny alabe). Ny fiteny Ojibwe ohatra dia otran'io.
Ny Cree koa dia mitovy fizaràna.
Siouan-Catawban[hanova | hanova ny fango]
Ao anatin'i Siouan-Catawban dia misy teny 17 miampy karazan-teny mihidina aminy.
Moskôjeana[hanova | hanova ny fango]
I. Muskogean andrefana
II. Muskogean atsinanana
- A. Muskogean ampivoany
- i. vondrona Apalachee-Alabama-Koasati
- ii. Hitchiti-Mikasuki
- B. Creek
- 7. Creek
Athabaskana[hanova | hanova ny fango]
Ny Atabaskana dia anarana na vondrona ngeza be ao avaratra sy atsimo ny Amerika Avaratra
Ny Athabaskana dia ny fianakavina faha roa amin'ny isa n'olona mpiteny azy sy amin'ny isa ny teny. (Ny teny Nahuatl dia ao anatiny Athabaskana) ; aminy harefin'i tany, ny Aljika ihany no manana velarana ngeza indrindra.
Irôkoaianina[hanova | hanova ny fango]
Ny fivaninan'i teny " Irôkoay" dia maizimaizina ; faha io fiteny io mety tonga avy any amin'ilay fehezanteny hiro kone (niteneniko) ; ny olokafa mihevitra hoe io teny io avy tonga tany amin'ny Algônkianina Irinakhoi (bibilava "misìoka") ; anaran'i Irôkoay aminy teniny dia Haudenosaunee (Ilay mponina manana trano lava).