Hankany amin'ny vontoatiny

Telo

Avy amin'i Wikipedia

Ny telo, izay soratana amin' ny tarehimarika arabo 3, dia isa nanahary manaraka ny roa sy eo alohan' ny efatra, ary izy no isa tsy azo tsinjaraina tsy ankasa kely indrindra sady ny hany isa tsy azo tsinjaraina alohan' ny isa toradroa. Manana lanjany ara-pivavahana sy ara-kolontsaina amin' ny fiarahamonina maro ny isa telo.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny sehatry ny fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fivavahana maro eran-tany dia misy andriamanitra kamban-telo na voan-kevitra momba ny trinite anisan' izany ny Trimurti (Brahma, Vishnu, Shiva) sy ny Tridevi (Saraswati, Lakshmi, Parvati) ao amin' ny hindoisma, ny Triglav (ara-bakiteny: "Ilay manana loha telo": Svarog, Vélès, Péroun na Svarog, Svantovít, Perun)), andriamanitry ny Slavy, ny "Firavaka telo" (Buddha, Dharma, Sangha) amin' ny bodisma, ny "Fahadiovana telo" (Yuqing, Shangqing, Taiqing) ao amin' ny taôisma, ny Trinite (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) ao amin' ny kristianisma, ary ny andriamanibavy telo sosona ao amin' ny wicca.

Araka ny voalazan' i Pitagôra sy ny sekoly pitagôreana, dia ny isa 3, izay nantsoiny hoe triad, no hany isa mira amin' ny fitambaran' ny isa rehetra kely noho izy (3 = 2+1), ary ny hany isa tokana izay mitovy amin' ny vokatra avy amin' ireo sy ny tenany (3+2+1 = 3x2x1).

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Andevolahy mampirafy, ka maka kitay telo entana.
  • Andry telo itoviana aman' olona.
  • Aza manao voan-tapia: iray no hanina telo no aloa.
  • Aza mitabataba tonga rafozana: akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky.
  • Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana.
  • Hanin-karenan' Itsitiandrainazy: dobo telo ka atao indray manosika.
  • Ingahibe mampirafy: tonga telo vao latsa-bidy.
  • Ity telo an' ila natao randran-tsy nahina indray no nanjary reniben-kaingo.
  • Izay mahari-monina tonga telo mianaka.
  • Kitay telo an-dalana: ny roa alanon' ny lahy, ary ny iray alanon' ny vavy.
  • Kotrik' akohon' i Masolahy: telo mbamin' ny reniny.
  • Ny mahazaka telo olana saro-tapahina.
  • Maro tsy azo tompoina; roa, mifamono; telo, mifonoro trano ; fa iray no mahasoa.
  • Ny sitran-tsy miody mba tsara ihany, fa ny maty tsy vita ala nenina dia avo telo heny ny alahelo.
  • Ny toko telo mahamasa-nahandro.
  • Riran-jozoro: ka raha roa, loza; efatra, antambo; fa telo vao mahay mifanaraka.
  • Tapian' Imamo: iray no hanina ka telo no aloa.
  • Telo no sola: ny anankiray tava mitatra, ny anankiray sola nahafahana, ny anankiray tena sola.
  • Toy ny zozoro: mahitsy ihany, fa telo rirana.
  • Tsy misy be fiarovana toy ny ondrindrano, fa tsirika telo, antsibe iray nefa mitolagaga raha voafaokan' ny tandroho.
  • Tsy misy fatra-piahy tena ohatra ny tsindretra, fa famaky kely iray sy katsomanta telo no entiny, fa raha tamy ny tandroho misitrika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]