Teboka mafanan' ny fahasamihafan' ny karazan-javamananaina
Fiseho

Ny teboka mafanan' ny fahasamihafan' ny karazan-javamananaina dia faritra eto amin' izao tontolo izao izay ahitana karazan-javamananaina maro tsy hita any an-toeran-kafa, nefa io faritra io koa dia tandindomin-doza noho ny asan' ny olombelona.

Mba hiheverana ny faritra iray ho toerana mafana dia tsy maintsy manana karazan-javamananaina tsy manam-paharoa maro izy, ary tsy maintsy nahavery ny 70 % fara fahakeliny amin' ny toetra voajanahariny tany am-boalohany (ala, hivoka, sns.).