Teôlôjia sistematika
Ny teôlôjia sistematika, na sistematika, dia taranja ao amin' ny teôlôjia kristiana izay andaminana ny teôlôjia mba hitsinjarana azy ho sokajy na sistema samihafa. Miresaka lohahevitra maromaro ao amin' ny boky samihafa ny Baiboly, ka ny teôlôjia sistematika no ahafahana manangona fahalalana samihafa momba lohahevitra tokana ny teôlôjia sistematika.
Maneho amin' ny fomba voalahatra sy voasaina ary mirindra ny fotopampianaran' ny finoana kristiana ny teôlôjia sistematika. Miresaka zavatra toy ny fampianaran' ny Baiboly momba ny lohahevitra sasany na izay marina momba an' Andriamanitra sy ny tontolony izy io. Izy io koa dia miorina amin' ny taranja biblika, ny tantaran' ny fiangonana, ary koa ny teôlôjia biblika sy teôlôjian' ny tantara. Ny teôlôjia sistematika dia mizara ny andraikiny amin' ny sehatra hafa toy ny teôlôjia manorina, ny dôgmatika, ny etika, ny apôlôjetika, ary filôzôfian' ny fivavahana.
Sampan' ny teôlôjia
[hanova | hanova ny fango]Ny zavatra karohina ao amin' ny teôlôjia sistematika dia matetika mifandray amin' ny sampana lehiben' ny teôlôjia.
- ny tantaran' ny Baiboly;
- ny famakafakana ny Baiboly;
- ny hermeneotikan' ny Baiboly;
- ny teôlôjia biblika;
- ny teôlôjia manokana na fotopampianarana momba an' Andriamanitra: fandalinana an' Andriamanitra, ary indrindraindrindra, momba an' Andriamanitra Ray;
- ny kristôlôjia, seha-pandalinana momba an' i Kristy: ny fiainany, ny iraka nampanaovina azy, ny toetrany ary ny fifandraisany amin' Andriamanitra sy ny olombelona;
- ny pneomatôlôjia: fandalinana ny Fanahy Masina;
- ny sôteriôlôjia: fandalinana ny famonjena, indrindra ny hevitra momba ny fanamarinana sy ny fahamasinana
- ny apôlôjetika;
- ny eklesiôlôjia: fandalinana ny lafiny maro momba ny Fiangonana (indraindray ny eklesiôlôjia dia mifandray amin' ny teôlôjia pratika);
- ny eskatôlôjia kristiana: fandalinana ny fitsarana farany sy ny anjaran' ny olombelona;
- ny hamartiôlôjia (avy amin' ny teny grika hoe hamartia, "fahotana"): fandalinana ny ota sy ny faharatsiana;
- ny anjelôlôjia, fandalinana ny anjely sy ny iraka nampanaovina azy;
- ary ny demônôlôjia, fandalinana momba ny demony, indrindra fa momba an' i Satana.