Hankany amin'ny vontoatiny

Teôlôjia pratika

Avy amin'i Wikipedia
I Friedrich Schleiermacher, no heverina ho mpanorina ny teôlôjia pratika.

Ny teôlôjia pratika dia taranja akademika andinihana sy isaintsainana ny fanao ara-pivavahana isan-karazany mba hahatakarana ny teôlôjia ampiharina amin' ireo fanao ireo ary mba handinihana ny fomba hampifanarahana na hanovana na hanatsarana bebe kokoa ny rijan-kevitra sy ny fampiharana ara-teôlôjia. Matetika ny teôlôjia pratika dia nikatsaka ny famahana ny fisarahana hita eo amin' ny dôgmatika na ny teôlôjia amin' ny maha taranja akademika azy ireo andaniny, sy ny fiainana sy ny fanaon' ny fiangonana ankilany. Mampivondrona ny fampianarana momba ny hetsika ara-piangonana isan-karazany (litorjia, môraly, katesizy, sns.) ary manazava ny anton' ireo fanao ireo ny teôlôjia pratika.

Araka ny voalazan' i Richard Osmer, ireo asa na fanontaniana lehibe efatra apetraka amin' ny teôlôjia pratika dia ireto[1]:

  1. Fa misy inona? (asa fanoritsoritana sy ara-panandramana)
  2. Nahoana no mitranga izany? (asa fanakarana)
  3. Inona no tokony hitranga? (ny asa fampanaraham-penitra)
  4. Ahoana no mety havalintsika? (asa pragmatika)

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Osmer, Richard Robert (2008). Practical Theology: An Introduction. William B Eerdmans. p. 4. ISBN 9780802817655. The Core Tasks of Practical Theological Interpretation