Aller au contenu

Tavy (fambolena)

Avy amin'i Wikipedia
Fanaovana tavy any Chiang Mai, any Tailandy

Ny tavy dia fomba fambolena izay ikapana ny zavamaniry sy andiovana amin' ny afo ny saha, izay ahafahana mamindra ny fahalonahana vokatry ny lavenon' ny zavamaniry nodorana (ny ala matetika), avy eo ambolena mandritra ny fotoana fohy alohan' ny hamelana azy, mandritra ny fotoana lava dia lava, mba hanirian' ny ala indray. Io no mahazatra indrindra amin' ny fambolena mifindrafindra toerana. Efa nisy hatramin' ny vanimpotoana talohan' ny tantara ny tavy. Ny fampiasana azy amin' ny tany midadasika be dia mety hitarika amin' ny fahasimbana maharity ny nofon-tany.

Tandindomin-doza noho ny fandripahana ala ho an' ny famoronana tany fambolena sy kijana ny gidro ny amin' ny ala maina sy ravina mihintsan-dravina eto Madagasikara.

Eto Madagasikara dia fanao indrindra any amin' ny faritra amorontsiraka misy tendrombohitra ny tavy amin' ny fabolem-bary. Eo amin' ny lavenona matevina azo amin' izany fanao izany no amafazana. Tany an' aliny hekitara eny amin' ny tehezan-tendrombohitry ny faritra atsinanana no efa tsy mety ambolena noho io fanao io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]