Hankany amin'ny vontoatiny

Nymphaea nouchali

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tatamo)
Rano aniriam-boahirana

Ny Nymphaea nouchali dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Nympheaceae, maniry anaty rano mihandrona, manana ravina lehibe boribory miendrika kapila sy mitsinkafona, misy voniny tokana matetika miloko volomparasy na manga atao hoe tatamo. Ao amin' ny fianakavian-javamaniry atao hoe Nympheaceae izy. Amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany any Azia sy Aostralia ary Afrika no ahitana azy.

Volena ny voahirana mba hatao haingon-tanàna. Misy koa ny mihevitra azy ho azo atao fanafody itsaboana ny aretin' aty sy ny diabeta. Atao anana sakafo izy any Laôsy sy any Kambôdia.

Anarana ara-tsiansa

[hanova | hanova ny fango]
Vonim-boahirana

Indreto ny anarana ara-tsiansa ahafantarana ilay zavamaniry:

  • Castalia caerulea Tratt.
  • Castalia scutifolia Salisb.
  • Leuconymphaea stellata (Willd.) Kuntze
  • Nymphaea bernierana Planch.,
  • Nymphaea cyanea Roxb. ex G.Don
  • Nymphaea emirnensis Planch.,
  • Nymphaea madagascariensis DC.,
  • Nymphaea minima F.M. Bailey*
  • Nymphaea nouchali Burm.f., 1768
  • Nymphaea stellata Willd.

Anarana amin' ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe agoago, agoagoa, betsimihilana, betsimilina, betsimirana, fantamo, kitatamoka, lazilazy, lefoka, makamby, talefaka, tantama, tantano, tatamo, tatamoka, tsiazonafo, voahirana, voalefoka ary vonintatamo ny Nymphaea nouchali.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Zavamaniry fanao voninkazo noho ny bikany azo atao haingo ny Nymphaea nouchali. Heverina ho azo atao fanafody ihany koa izy hitsaboana ny aretin' aty sy ny diabeta. Ny mponina any Laôsy sy Kambôja idia manao azy ho anana. Voninkazom-pirenen' i Bangladesy ihany koa izy io ka hita amin' ny sainan' io firenena io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]