Ny tarehimarika dia marika ampiasaina amin' ny fanoratana, irery na mitambatra, mba hanehoana isatsimivaky. Ao amin' ny rafitra isa tafolo, ny fampiasana tarehimarika vitsy dia ampy hanehoana ny sanda rehetra. Ny isan' ny tarehimarika ao amin' ilay rafitra no ampiasaina ho fototra. Ny rafitra tafolo, izay rafitra fanisana mahazatra indrindra, dia manana tarehimarika folo maneho ny isa aotra hatramin' ny sivy.