Taranja (taova)
Fiseho
Ny taranja na rizôma dia taho maniry mandry ao anaty tany na indraindray ao anaty rano feno tahirin-tsakafo, hita amin' ny zavamaniry maharitra mihoatra ny roa taona. Tahaka ny fakan-javamaniry, ny taranja dia manampy amin' ny fanalefahana ny nofon-tany, na koa amin' ny fanamafisana sy fampaharetana ny moron-drano misolampy na faritra be fotaka na ny dongom-pasika. Ataon' ny zavamananaina ambanin' ny tany sasany sakafo ny taranja. Raha maty izy ireo dia mahabetsaka ny akora ôrganika ao amin' ny tany. Amin' ny maha taho ny taranja dia misy faka sy rantsana mipoitra avy aminy ary mety misy raviny kely. Indreto misy ohatra vitsy amin' ny zavamaniry misy taranja na rizôma:
- ny sakamalao (Zingiber officinale);
- ny tamotamo (Curcuma longa);
- ny ambaradeda (Canna indica);
- ny karazana volo (Bambusa barbata, Bambusa capitata, sns);
- ny antsoro (Imperata cylindrica);
- ny karazana ao amin' ny Chrysopogon (Chrysopogon serrulatus (na paipaika), Chrysopogon zizanioides, Chrysopogon serrulatus, sns);
- ny karazana ao amin' ny Cymbopogon;
- ny karazana ao amin' ny Panicum;
- ny karazana ao amin' ny Nymphaea (voahirana, sns);
- ny vondrona (Typha angustifolia).