Taolan' ny tampom-banja
Fiseho

Ny taolan' ny tampom-banja dia taolana ao amin' ny firafitry ny valahana eo amban' ny kibo sady eo ambonin' ny taovam-pananahana ivelany. Mifandray eo afovoany ny taolana roa (havia sy havanana) amin' ny taolan' ny tampom-banja amin' ny alalan' ny tonon-taolana matanjaka. Izy io dia toerana ifamatoran' ny hozatra maro ao amin' ny kibo sy ny fe ary miaro ny taova ao amin' ny faritry ny valahana (toy ny tatavia sy ny taovam-pananahana). Manomboka maniry volo ny hoditra amin' ny faritry ny tampom-banja mandritra ny fahamaotiana, vokatry ny asan' ny hôrmônina.