Taolam-pe
Fiseho

Ny taolam-pe dia taolana lava mamorona ny karan' ny fe, izay ampahany ambony amin' ny rantsam-batana ambany. Io no taolana lava indrindra sy mavesatra indrindra ary mafy indrindra ao amin' ny tenan' olombelona (raha jerena ny fahafahany mahatanty ny hery mihatra aminy, toy ny fihenjanan' ny hozatra sns). Ho an' ny olon-dehibe, matetika dia eo anelanelan' ny 40 sy 45 sm ny halavany, arakaraka ny refin' ny olona sy ny maha lahy na maha vavy azy. Mahatratra eo amin' ny 25 % amin' ny haavon' ny tenan' ny olombelona manontolo izany.