Tantaran' i Sozana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tantaran'i Sozana)
I Sozana sy ireo lahiantitra, sary nataon' i Gerrit van Honthorst

Ny Tantaran' i Sozana na I Sozana sy ireo lahiantitra dia tantaran' ny zazavavy atao hoe Sozana, izay narahin' ny lahiantitra roa maso tamin' izy nandro, sy nasain' izy ireo handry amin' izy ireo nefa nandà izany, ka nampangain' izy roalahy ho mpijangajanga mba hamonoana azy, nefa niaro azy i Daniely ka nanaporofo ny maha tsy manan-tsiny azy. Tamin' ny farany dia ireo lahiantitra ireo no nohelohina.

Fandraisana ny Tantaran' i Sozana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Bokin' i Daniely ao amin' ny Baiboly katôlika sy ireo Baiboly ôrtôdôksa (Dan. 13) no misy azy fa tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo (Tanakh) sy ny Baiboly prôtestanta.

Ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny grika (ny Septoanjinta), dia boky manokana tsy mitambatra amin' ny Bokin' i Daniela ny Tantaran' i Sozana. Ataon' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa ho isan' ireo soratra deoterôkanônika io tantara io.

Ity tantara ity, izay tsy voasoratra tamin’ny fiteny hebreo na arameana fa tamin’ ny fiteny grika, dia tsy noraisin’ ny Jiosy any Palestina sy Prôtestanta ho kanônika ao amin’ ny Baiboliny.

I Sozana eo anatrehan' i Daniely, sary nataon' i Sebastiano Ricci, 1725-1726 .

Fizaràn' ny Tantaran' i Sozana[hanova | hanova ny fango]

  • I Sozana, vehivavy nitandro ny fahamendrehany (Dan. 13.1-4)
  • Raiki-pitia amin' i Sozana ny loholona jiosy roalahy (Dan. 13.5-14)
  • Niampanga an' i Sozana ho ratsy fitondran-tena ireo loholona ireo (Dan. 13.15-43)
  • Asehon' i Daniely fa tsy meloka i Sozana (Dan. 13.44-64)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]