Tantaran' ny Jiosy any Iràna

Avy amin'i Wikipedia

Ny tantaran' ny Jiosy any Iràna dia nanomboka tamin' ny faran' ny Vanim-potoan' ny Baiboly (teo antenatenan' ny taonarivo voalohany tal. J.K.). Ny bokin' ny Tantara, ny bokin' i Isaia, ny bokin' i Daniela, ny bokin' i Ezra (na Esdrasa), ary ny ny bokin' i Nehemia ao amin' ny Baiboly dia mirakitra firesahana momba ny fiainana sy ny zavatra nanjo ny Jiosy tany Persia. Araka ny bokin' i Ezra, ny mpanjaka persiana dia nanome alalana sy namela ny Jiosy hiverina any Jerosalema sy hanorina indray ny tempoliny; ny fanamboarana azy io dia natao "araka ny didin' i Kirôsy sy Dariôsy ary Artaksersesy, mpanjakan' i Persia." (Ezra 6:14). Io fisehoan-javatra lehibe teo amin' ny tantaran' ny Jiosy io dia nitranga tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-6 tal. J.K.

Nonina tany amin' ny tanin' i Iràna ankehitriny ny Jiosy persiana nandritra ny 2 700 taona mahery, hatramin' ny nisian' ny Jiosy am-pielezana voalohany tamin' ny nandresen' i Salmanesera V mpanjaka asiriana ny Fanjakan' i Israely (Avaratra) (722 tal. J.K.) ary nitondra ny Israelita sasany ho babo tany Khuzestan. Tamin' ny taona 586 tal. J.K., ny Empira Babilôniana Vaovao dia nampiala Jiosy maro be avy tao Jodea (na Jodia) ho babo any Babilôna.

Ny Jiosy nifindra monina tany Persia fahiny dia nipetraka tanaty fiankaviambe nisy azy manokana. Ny fianakaviambe jiosy persiana dia ahitana ireo fianakaviambe tranainy (ary hatramin' ny tapaky ny taonjato faha-20 mbola misy) tsy ny an' i Iràna ihany, fa ny Jiosy azerbaijany, ny Jiosy armeniana, ny Jiosy jeôrjiana, ny Jiosy irakiana, ny Jiosy bokarana, ary ny Jiosy an-tendrombohitra koa.

Ny sasany tamin' ireo fianakaviambe ireo dia nitoka-monina avy tamin' ny fianakaviambe jiosy hafa, hany ka ny andian-teny hoe "Jiosy persiana" dia fomba fiteny ara-kaiteny na ara-jeôgrafia fa tsy misy lanjany ara-tantara. Nandritra ny fara tampon' ny Empira  Persiana dia heverina fa nahatakatra hatramin' ny 20 %n' ny mponina ny Jiosy.

Ny Jiosy dia namototra ny lovany any Iràna hatramin' ny fahababoana tany Babilôna tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. ary nitazona ny maha-izy azy ara-poko sy ara-piteny ary ara-pivavahana. Na izany aza, ny fandinihana ny Tranomboky ny Kôngresy momba an' i Iràna dia nilaza fa "Nandritra ny taonjato maro dia nanjary tsy navahana ara-batana, ara-kolontsaina ary ara-piteny tamin' ny mponina tsy Jiosy ny Jiosy tao Iràna. Ny ankamaroan' ny Jiosy dia manao ny fiteny persana ho fitenin-dreny, ary miteny kiorda ny vitsy an' isa." Tamin' ny taona 2012, ny fanisam-bahoaka ôfisialin' i Iràna dia nitatitra ny fisian' ny Jiosy miisa 8 756, izy fihenana avy amin' ny isa 25 000 tamin' ny taona 2009.

Jiosy mizrahita miteny hebreo mizrahy ary manaraka ny Talmodan' i Babilôna ny fianakaviambe jiosy ao Iràna. Talohan' ny taona 1948, ireo Jiosy iraniana ireo, izay mbola betsaka kokoa noho izany, dia noheverin' ny mpahay tantara ho taranaky ny Persiana niova fo ho amin' ny jodaisma sy ny vondrom-poko jiosy hafa any Iràna (anisan' izany ny Jiosy kiorda).