Hankany amin'ny vontoatiny

Tantaran' ny Famonjena

Avy amin'i Wikipedia

Ny tantaran' ny Famonjena dia voan-kevitra iray ao amin' ny teôlôjia kristiana izay manasongadina ny asa famonjena nataon' Andriamanitra teo amin' ny tantara ary manome an' i Jesoa Kristy anjara asa fototra amin' ny fanavotana. Amin' ny teny alemana izany dia atao hoe Heilsgeschichte. Manakaiky ny Heilsökonomie ("drafitry ny Famonjena") io hevitra io ary mifangaro amin' izany indraindray.