Hankany amin'ny vontoatiny

Tantalus Rare Earths

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tantalus Rare Earths AG dia orinasa alemàna manampahaizana manokana amin' ny fikarohana sy ny fampandrosoana ny tany hamatra teto Madagasikara, indrindra ny any amin' ny Saikinosy Ampasindava, faritra ahitana karazan-javamananaina be dia be[1]. Ity tetikasa ity dia mikendry ny hitrandraka ny tany hamatra ao amin' ity faritra ity, saingy nisedra sakana isan-karazany nandritra ny taona maro[2][3].

Ny orinasa dia manana velarana mirefy 300 km2 amin' ny tetikasa tany hamatra any amin' ny Saikinosy Ampasindava, any amin' ny ilany avaratra-atsinanan' i Madagasikara[4][5].

Tamin' ny taona 2015, ny Tantalus Rare Earths AG dia nivarotra ny 60 % amin' ny anjarany tao amin' ny sampana Tantalum Holding (Mauritius) Limited, izay tompon' ny Tantalum Rare Earth Malagasy S.A.R.L. 100 %, tamin' ny orinasa singaporiana Apphia Minerals SOF PTE. Ltd. tamin' ny vola 3,7 tapitrisa Euro. Taorian' izay dia niova imbetsaka ny tompon' ilay tetikasa, izay taratry ny fiovaovan' ny tontolo ara-toekarena sy ny fahasahiranana ara-bola teo amin' ny mpandray anjara[2][6][7]. Tamin' ny taona 2019, ny ISR Capital, orinasa manana ny foibeny any Singaporo, dia nanao sonia fifanarahana miaraka amin' ny China Nonferrous Metal Mining Group mba ny hampandroso ilay teoram-pitrandrahana. Na izany aza, ny ISR Capital dia niatrika fanadihadiana momba ny tsy fanarahan-dalàna ara-bola sy ny fahatarana amin' ny fahazoan-dalana ilaina, izany dia nanelingelina ny fandrosoan' ilay tetikasa[2][6][7].

Niteraka ahiahy teo amin' ny fokonolona sy ny fikambanana mpitahiry ny tontolo iainana ihany koa ilay tetikasa, noho ny mety ho fiatraikany amin' ny tontolo iainana sy ny zavamananaina. Ny Saikinosy Ampasindava dia fonenan' ny karazam-biby atahorana ho lany tamingana, anisan' izany ny karazan-gidro samihafa, ary mety hisy fiantraikany ratsy amin' ireo toeram-ponenan-javamananaina saro-pady ireo ny asa fitrandrahana[2][3][7]. Tamin' ny taona 2023, ny orinasa aostraliana iray antsoina hoe Harena Resources Pty Ltd dia nividy ny Reenova Rare Earth Malagasy, orinasa fananan' ny mpampiasa vola singaporiana, ka lasa tompon' ilay tetikasa tamin' ny farany.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Madagascar. Tantalus Rare Earths AG jette l’éponge !", www.madagate.org, 17/11/2015
  2. 2,0 2,1 2,2 et 2,3 "Troubled firm aims to mine Madagascar forest for rare earth elements", news.mongabay.com, 8/08/2017
  3. 3,0 et 3,1 "Another blow to troubled Madagascar rare earth mine", news.mongabay.com, 22/11/2017
  4. "Madagascar : Tantalus signe un contrat de vente pluriannuel sur les terres rares avec ThyssenKrupp", www.agenceecofin.com, 13/05/2015
  5. "Madagascar: Tantalus Rare fait une place sur les terres rares à Apphia Minerals", www.agenceecofin.com, 09/12/2015
  6. 6,0 et 6,1 "Tantalus Rare Earths sells 60 pct of operations", www.reuters.com, 8/12/2015
  7. 7,0 7,1 et 7,2 "Madagascar's thwarted rush for rare earths", www.lemonde.fr, 19/08/2023