Aller au contenu

Tangolika

Avy amin'i Wikipedia
Tangoliky ny zavamaniry Passiflora edulis (fr)

Ny tangolika dia karazana rantsana na ravina na zana-dravina manana ny asany manokana, miolikolika, ahafahan' ny zavamaniry mandady sy mianika sasany hifikitra amin' ny tohana isan-karazany, manana endrika mitovy amin' ny kofehy. Betsaka ny karazana zavamaniry manana tangolika; ao anatin' izany ny voaloboka.

Mihorongorona na mifikitra amin' ny tohana na zavamaniry hafa mpampiantrano ny tangolika raha misy zavatra na akora simika mikasika azy. Miovaova ny haben' ny tangolika, manomboka amin' ny santimetatra vitsivitsy ka hatramin' ny 70 santimetatra (ho an' ny Nepenthes harryana (en)). Mety hahitana tangolika manana halava hatramin' ny 52 santimetatra ny Tetrastigma voinierianum (en). Amin' ny ankapobeny dia tsy misy afa-tsy tangolika iray tsotra na misampana isaky ny tonony, fa ny Cucumis humifructus (en) dia mety hanana tangolika hatramin' ny valo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]