Aller au contenu

Tana (biby)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tanalahy)
Tana

Ny tana dia biby mandady, fianakaviana ao amin' ny zana-pilaharana Lacertilia (androngo), miaina indrindra eny ambony hazo maniry, afaka miovaova volo arakaraka ny toerana misy azy ka sarotra avahana amin' ny manodidina. Ny anaran' ity fianakaviana ity ara-tsiansa dia Chamaeleonidae. Amin' ny teny malagasy, ny lahy aminy dia atao hoe tanalahy ary ny vavy tanavavy.

Nofaritan' i Constantine Samuel Rafinesque tamin' ny taona 1815 ity fianakaviana ity. Misy karazana tana 200 eo ho ny eto ambonin' ny tany. Mizara zana-pianakaviana roa ity fianakaviana ity dia ny Chamaeleoninae sy ny Brookesiinae.

Tana

Ny tana dia biby izay miavaka noho ny fihetsehan' ny masony roa tsy mifampiankina, ny lelany afaka mihalava tampoka hisamborany remby avy lavitra, ny rantsantanany mivondrona roa afaka mifampihaona ka miantoka ny fihazonany tsara ny rantsan-kazo, ny fahafahany miovaova loko, ary farany ny rambony izay afaka mifelipelika sy itazomany zavatra ary miasa hahamarin-toerana ny tenany.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Mijaikojaiko, tahaka ny tanalahy leom-paraky.
  • Tanalahy ambony hazo ny vintana : miova volo matoa misy zaza misiaka.
  • Tanalahy manani-bero: antitra mijaiko, tanora mijaiko.
  • Tanalahy misarotro maina andro: manakona ny anjara masoandron' ny tena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]