Aller au contenu

Tana (biby)

Avy amin'i Wikipedia
Tanalahy

Ny tana dia biby mandady, fianakaviana ao amin' ny zana-pilaharana Lacertilia (androngo), miaina indrindra eny ambony hazo maniry, afaka miovaova volo arakaraka ny toerana misy azy ka sarotra avahana amin' ny manodidina. Ny anaran' ity fianakaviana ity ara-tsiansa dia Chamaeleonidae. Amin' ny teny malagasy, ny lahy aminy dia atao hoe tanalahy ary ny vavy tanavavy.

Nofaritan' i Constantine Samuel Rafinesque tamin' ny taona 1815 ity fianakaviana ity. Misy karazana tanalahy 200 eo ho ny eto ambonin' ny tany. Mizara zana-pianakaviana roa ity fianakaviana ity dia ny Chamaeleoninae sy ny Brookesiinae.

Tanalahy

Ny tanalahy dia biby izay miavaka noho ny fihetsehan' ny masony roa tsy mifampiankina, ny lelany afaka mihalava tampoka hisamborany remby avy lavitra, ny rantsantanany mivondrona roa afaka mifampihaona ka miantoka ny fihazonany tsara ny rantsan-kazo, ny fahafahany miovaova loko, ary farany ny rambony izay afaka mifelipelika sy itazomany zavatra ary miasa hahamarin-toerana ny tenany.