Aller au contenu

Tampaha

Avy amin'i Wikipedia

Ny sary tampaha dia zavatra matematika izay mampiseho rafitra mitovy amin'ny valandotra rehetra.

Tranga voajanahary maro toy ny didin'ny morontsiraka na ny laisoan'i Romanesco no somary miendrika tampaha.

Ohatra maro amin'ny tampaha, toy ny ranomandrin'i Koch na ny karipetran'i Sierpiński, no hita tamin'ny taonjato faha 19. Tamin'ny taona 1975 kosa i Benoît Mandelbrot no nanintona ny sain'ny olona ny fisian'ireo zavatra ireo eo amin'ny zavaboary, ka namorona tamin'io fotoana io ny mpamaritoetra « tampaha ». Avy amin'ny fototeny latinina fractus, midika hoe « ampaha », « vaky », ary ny tovona « ta- » (avy amin'ny) misy amin'ny mpamaritoetra toy ny « tatsambo » ary « tavaratra ».