Aller au contenu

Tamberin' andraikitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny tamberin' andraikitra dia hetsika ataon' ny manam-pahefana sy ny mpitantana hampahafantarana ny zavatra nataony amin' ny vahoaka (eo amin' ny sehatry ny firenena) na vondron' olona (ao amin' ny fikambanana) nanolotra azy ny fahefana. Voan-kevitra fototra eo amin' ny siansa pôlitika sy amin' ny pôlitika ary amin' ny fitantanana ny taberin' andraikitra. Tafiditra ao anatin' izany ny tokony hanaovana tatitra ny zavatra natao sy ny fanapahan-kevitra noraisina ary ny fiantraikan' izany, ary ny fizakana andraikitra amin' ny vokatr' izany rehetra izany.

Manampy amin' ny fisorohana sy ny ady amin' ny kolikoly, amin' ny fanararaotam-pahefana sy amin' ny fahadisoana, ary mampiroborobo ny kolontsain' ny fandraisana andraikitra sy ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny tamberin' andraikitra.

Tsy maintsy manazava sy manamarina ny zavatra ataony sy ny fanapahan-keviny noraisiny ny olona na sampan-draharaha tompon' andraikitra. Tafiditra ao anatin' izany ny fanomezana vaovao mazava sy mora azo momba ny zavatra natao sy ny antony nanaovana izany ary ny vokatra azo avy amin' izany. Tafiditra amin' ny tamberin' andraikitra ny fandraisana andraikitra amin' ny vokatry ny zavatra natao sy vokatry ny fanapahan-kevitry ny tena, na tsara izany na ratsy. Midika izany fa eken' ny tena ny maha tompon' andraikitra amin' ny hadisoana ary tokony ho raisina fepetra fanitsiana raha ilaina.

Ny tamberin' andraikitra dia midika ihany koa fa mety hisy ny fanasaziana raha toa ka nisy ny tsy fanaja ny adidy tokony hefaina na ny fitondrantena tsy mendrika. Ireo voka-dratsy ireo dia miova arakaraka ny halehiben' ny fahadisoana ary mety hahitana sazy ara-pifehezana, sazy ara-bola na fanenjehana eny amin' ny fitsarana.

Tena ilaina ny tamberin' andraikitra mba hiantohana ny fitantanana tsara, ny mangarahara, ny fandraisana andraikitra ary ny fahatokisana ny andrim-piarahamonina na andrim-panjakana sy ny fikambanana isan-karazany. Ny tamberin' andraikitra dia mampandroso ny mangarahara amin' ny alalan' ny famporisihana hanome fampahalalana momba ny hetsika sy ny asa natao. Izany dia ahafahan' ny mpandray anjara hahatakatra ny fomba andraisana fanapahan-kevitra sy ny fomba ampiasana ny loharanon-karena. Mba hiantohana ny tamberin' andraikitra dia ilaina ny mametraka rafitra fanaraha-maso mahaleo tena sy mahomby.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]