Tamba-nosin' i Kômôro

Avy amin'i Wikipedia
Ny tamba-nosiny Kômôro

Ny Tamba-nosy Kômôro dia nosy maromaro mifanakaiky ao amin' ny Lakandrano Môzambika, eo anelanelan' ny tendro avaratr' i Madagasikara sy ny morontsiraka avaratr' i Môzambika. Efatra ny nosy lehibebe mamorona an' ilay tamba-nosy, dia i Ngazija (na Kômôro Lehibe), i Njoany (na Anjoany), i Moaly (na Môhely) ary i Maôry (na Mayotte). Ny nosy telo voalohany dia mikambana ara-pôlitika ao amin' ny Firaisan' i Kômôro izay mitambatra ho firenena mahaleo tena, fa i Mayotte kosa (izay ahitana ny nosy Grande-Terre sy Petite-Terre), sy ny nosy madinika manodidina azy, dia departemanta frantsay.

Ireo nosy efatra lehibe indrindra[hanova | hanova ny fango]

Ny nosy efatra lehibe ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro

Ngazija[hanova | hanova ny fango]

I Ngazija na Kômôro Lehibe dia nosy sady fanjakana mizaka tena isan' ny Firaisan' i Kômôro, Izy no nosy lehibe indrindra sy be mponina indrindra (410 736 tamin' ny taona 2016) ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro. I Moroni no renivohiny, izay renivohitr' ilay firaisam-panjakana mizaka tena. Manana velarana 1 148 km2 izy.

Njoany[hanova | hanova ny fango]

I Njoany na Anjoany dia nosy sy fanjakana mizaka tena mitambatra amin' ny Firaisan' i Kômôro. I Mutsamudu no renivohiny ary misy mponina miisa 327 382 izy tamin' ny taona 2017. Mirefy 424 km2 ny velerany.

Moaly[hanova | hanova ny fango]

I Moaly na Môhely dia nosy sy fanjakana mizaka tena mitambatra ao amin' ny Firaisan' i Kômôro. I Fomboni no renivohiny. Misy mponina 52 360 izy tamin' ny taona 2015. Manana velarana 290 km2 izy.

Maiôty[hanova | hanova ny fango]

I Maiôty na Maôry dia tamba-nosy departemanta frantsay. Tsy anisan' ny Firaisan' i Kômôro. izy. Ny renivohiny dia Mamoudzou, tanàna lehibe indrindra. Ilay faritra dia manana nosy kely maromaro: i Mtsamboro, i Mbouzi ary i Bandrélé. Manana velarana 376 km² izy ary misy mponina miisa 256 518 tamin' ny taona 2017.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]