Hankany amin'ny vontoatiny

Tamarindus indica

Avy amin'i Wikipedia
Kily na madilo na madiro

Ny Tamarindus indica dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, sy ao amin' ny zana-pianakaviana Caesalpinioideae. Io no hany karazana ao amin' ny ao amin' ny vondron-karazana Tamarindus. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe dilo, diro, kile, kililo, kily, lilo, madilo, madiro, monte, monty, voamadilo, voamatony, ary voamatory.

Ny kily na madiro dia karazan-kazo maniry amin' ny faritra trôpikaly maina aty Afrika Atsinanana. Efa hatry ny elabe no nambolena azy tany Azia Atsimo ka avy any no niparitahany amin' ny faritra trôpikaly rehetra. Nisy vitsivitsy nampidirina tany Amerika Afovoany tamin' ny taonjato faha-16 ka miparitaka ao Meksika sy ao Hôndorasy ary Goatemala io hazo io amin' izao fotoana izao.

Voamadilo

Hazo mety mahatratra 10 m hatramin' ny 20 m ny kily. Fohifohy ny vatany. Miadam-paniry izy sady velona maharitra ela. Maharitra ny raviny izay miisa hatramin' ny 24 isaky ny tahon-dravina. Manopy mavo ny voniny izay maniry midina amin' ny volana Mey ka mamoaka voa makirana amin' ny volana Ôktôbra. Eto Madagasikara, indrindra ao amin' ny faritra nentim-paharazana misy ny Sakalava, dia heverina ho hazo masina ny kily na madiro, izay atao hoe "mpanjakan' ny hazo".