Hankany amin'ny vontoatiny

Talinaceae

Avy amin'i Wikipedia
Talinum fruticosum

Ny Talinaceae dia fianakaviana zavamaniry mamony roa ravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Caryophyllales, manana karazana miisa 28, nampidirin' ny Angiosperm Phylogeny Website. Izy ireo dia hazobotry sy vahy ary ahitra, tsy misy volo, manana ravina mifandimby sy misy vodiny, teratany any amin' ny faritra manana toetany antonony sy toetany trôpikaly (Amerika sy Afrika ary Madagasikara). Ahitana antoko iray ka hatramin' ny telo ity fianakaviana ity. Ity fianakaviana ity dia nekena vokatry ny fikarohana nataon' ny rafitra Angiosperm Phylogeny Group III mba hiatrehana ny fahasahiranana ela amin' ny fametrahana ny karazana maro ao amin' ny Caryophyllales.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]
Talinum tenuissimum

Inty ny lisitry ny vondron-karazana ao amin' ny Talinaceae:

  • Amphipetalum Bacig. (1988) izay tsy ahitana afa-tsy karazana tokana (Amphipetalum paraguayense N. M. Bacigalupo)
  • Talinella Baill. (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara)
  • Talinum Adans. (1763) (matetika ampidirina ao any karazana ao amin' ny Talinella)

Ny Talinella sy ny Talinum dia napetrakay ny fanasokajiana APG II (2003) ao amin' ny fianakaviana Portulacaceae. Indraindray ny Talinella dia heverina ho tafiditra ao amin' ny Talinum. Tsy mahalala afa-tsy ny antoko Talinum ny NCBI (4 Mey 2010) sy ny GRIN (4 Mey 2010).

Vondron-karazana hita eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Roa ny vondron-karazana hita eto Madagasikara, dia ireto:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]