Takilodrano

Ny takilodrano na bilariziôzy dia aretina vokatry ny kankana mpitroka ra atao hoe kankandio na sokoraty, izay mamorona ny vondron-karazana Schistosoma. Ity aretina ity dia hita any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly: aty Afrika, any Amerika Atsimo, any Azia ary any amin' ny lempona manodidina an' i Mediteranea.
Miparitaka amin' ny alalan' ny fikasihana ranomamy misy kankandio ity aretina ity. Matetika dia mivoaka amin' ny alalan' ny tain' ny sifotra an-dranomamy mitondra azy ireo ny katsentsitra. Mpahazo indrindra ny ankizy aty amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana ity aretina ity, satria mora kokoa amin' izy ireo ny milalao amin' ny rano maloto. Anisan' ny vondron' olona hafa mora voan' ilay aretina ny tantsaha sy ny mpanjono ary ny olona mampiasa rano tsy azo antoka isan' andro. Mifototra amin' ny fitadiavana ny atodin' ireo katsentsitra ireo ao amin' ny amany na ny fivalanan' ny olona marary ny famantarana ny aretina. Azo hamarinina ihany koa izany amin' ny fitadiavana mpisetra manohitra ny aretina ao amin' ny ra.
Anisan' ny fomba fisorohana ny aretina ny fanatsarana ny fahazoana rano madio sy ny fampihenana ny isan' ny sifotra. Any amin' ny faritra izay ahitana indrindra ilay aretina dia azo omena indray mandeha isan-taona ho an' ny vondrona iray manontolo ny fanafody Praziquantel (izay fantatra amin' ny anarany ara-barotra hioe Biltricide). Izany dia atao mba hampihenana ny isan' ny olona voan' ilay aretina sy mba hampihenana ny fihanaky ny aretina. Ny Praziquantel ihany koa no fitsaboana natolotry ny OMS ho an' ny olona voan' ilay aretina.
Ny bilariziôzy no areti-mifindra faharoa vokatry ny katsentsitra fahita indrindra maneran-tany aorian' ny tazomoka, izay mahavoa olona miisa 180 tapitrisa eo ho eo sy mahafaty olona 280 000 eo ho eo isan-taona. Mifandray amin' ny habetsahana mahagagan' ny atody an-jatony isan' andro vokarin' ny katsentsitra vavy ny habetsahan' ny olona maty vokatr' ilay aretina.
Hitan' ilay manam-pahaizana alemàna Theodor Bilharz tany Kahira renivohitr' i Ejipta tamin' ny taona 1852 ny kankana tompon' andraikitra amin' ny bilharziôzy.