Takilodambo
Fiseho

Ny takilodambo na agy dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, malailay, atahorana indrindra noho ny fangidihidy mahery vaika aterany. Izy io dia maniry isan-taona, hita any amin' ny faritra mafana any India, aty Afrika ary any Antilia. Ny anarany ara-tsiansa dia Mucuna pruriens na Dolichos pruriens. Malaza amin' ny fangidihidy lozan-tany aterany ity zavamaniry ity, indrindra ny raviny maitso sy ny voany. Izy io koa dia miteraka fivontosana mena be miaraka amin' ny fangidihidy. Ny takilodambo dia matetika ampiasaina eran' izao tontolo izao hatao vilona sy zezika maitso.
Indreto koa ny anarany hafa amin' ny teny malagasy: taingilotra, tainkiloka, takilodambo, takiloka, takilotra