Aller au contenu

Tain-kintana

Avy amin'i Wikipedia
Tain-kintana

Ny tain-kintana na zanakintana dia ny fisehoan-javatra manjelatra izay miaraka amin' ny fidiran' ny zavatra iray ao amin' ny atmôsfera, antsoina hoe meteôrôida. Izy io dia zavatra kely mivezivezy eny amin' ny habakabaka amin' ny hafainganam-pandeha hatramin' ny 42 km/s ao anatin' ny tondrozotra mifandray amin' ny Masoandro, rehefa mifanena amin' ny Tany ny lalany, dia lasa mazava toa lalan-kinta-mitsoriaka. Ity lalana mazava ity dia vokatry ny fieton' ilay zabatra sy ny iônizasiônan' ny rivotra amin' ny lalany, ilay meteôrôida dia mamela ao aoriany ny etona mafana sy mamiratra izay antsoina hoe plasma. Ny hafanana niandohan' ny plasma dia noho ny tsindry mafin' ny atmôsfera eo anoloan' ilay zavatra mandeha mafy dia mafy fa tsy ny fifampkasohany.

Ny tain-kintana dia vovoka kôsmika izay mietona tanteraka alohan' ny hidirany amin' ny tany, raha ny bolida, meteôrôida mafonja sy lehibe kokoa, dia mamokatra kapila mazava mahery vaika mandritra ny fidirany ao amin' ny atmôsfera. Ny meteôrôida dia afaka mivakivaky, amin' ny ankapobeny raha latsaka ny 50 kilômetatra ny haambony, na tonga amin' ny Tany (ny meteôrôida mihitsy na ny sombiny), ka lasa meteôrita iray na maromaro.

Amin' ny ankapobeny dia mitranga eo anelanelan' ny 85 sy 120 kilômetatra ambonin' ny haabon' ny ranomasina ilay tranga, na dia hita 400 na 600 km ambonin' ny Tany aza ny tain-kintana sasany.