Tahirin-javaboarin' i Berenty
Ny Tahirin-javabiarin' i Berenty (na réserve de Berenty, amin' ny teny frantsay) dia tahirin-javaboary kely tantanin' ny tsy miankina, mirefy 200 ha, any amin' ny faran' ny atsimon' i Madagasikara, adiny roa miala an' i Tôlanaro, ao avaratr' Amboasary-Atsimo, ao amin' ny Kaominina Ifotaka, Faritra Anosy. Manamorona ny ony Mandrare ny toerana misy azy, ao amin' ny faritry ny ala mikitroka somary maina any amin' ny ilany atsimon' i Madagasikara.
Noforonina tamin' ny taona 1936 io tahirin-javaboary io. Ity tahiry ity, miaraka amin' i Bealoka sy i Rapily, dia ampahany amin' ny ala 1 000 ha sisa tavela ao amin' ny fambolena taretra taloha nosahanin' i Henry de Heaulme[1]. Toerana manan-danja hijerena ny karazam-borona tsy manam-paharoa toy ny Coua, fa indrindra ny maky sy ny varika (maky hira, ny sifaka, sns) ilay tahiry.
Nandritra ny telopolo taona mahery ny primatôlôga Alison Jolly (izay nanomboka ny fikarohana tao Berenty)[2][3][4][4][5] sy mpikaroka hafa[6][7] ary ny mpianatra dia nitsidika an' i Berenty mba hanao fikarohana ifotony momba ny maky sy ny sifaka. I Alison Jolly dia namoaka asasoratra maromaro momba ity tahirin-javaboary ity.
Manana trano anaty ala fiantranoan' ny mpitsidika sy lalana voakarakara mankany amin' ny ala hojerena ilay tahirin-javaboary. Ity tahirin-javaboary ity no mahasarika mpitsidika betsaka indrindra raha mitaha amin' ny tahirin-javaboary hafa rehetra eto Madagasikara. Tonga any rehefa nandeha fiara adiny roa avy any Tôlagnaro.
Fotoana ijerena azy | Karazana |
---|---|
Amin' ny andro |
|
Amin' ny alina |
- ↑ Berenty Reserve: A Research Site in Southern Madagascar [Arsiva]
- ↑ Lemur behavior: a Madagascar field study. Chicago: University of Chicago Press. 1964.
- ↑ Mertl-Millhollen, AS; Gustafson, HL; Budnitz, N; Dainis, K; Jolly, A (1979). "Population and territory stability of Lemur catta at Berenty, Madagascar". Folia Primatologica. 31 (1–2): 106–123.
- ↑ 4,0 et 4,1 Jolly, A.; et al. (1982). "Population and troop ranges of Lemur catta and Lemur fulvus at Berenty, Madagascar: 1980 census". Folia Primatologica. 39 (1–2): 115–123..
- ↑ Jolly, A.; et al. (1982). "Propithecus verreauxi population and ranging at Berenty, Madagascar: 1975 and 1980". Folia Primatologica. 39 (1–2): 124–144.
- ↑ Howarth, C.J.; et al. (1986). "Population Ecology of the Ring-tailed Lemur and the White Sifaka at Berenty, 1981". Folia Primatologica. 47 (1): 39–48.
- ↑ Wilson, Jane (1995). Lemurs of the Lost World. Impact, London. p. 216.
- ↑ Mittermeier, R.A.; Louis, E.E.; Richardson, M.; Schwitzer, C.; et al. (2010). Lemurs of Madagascar. Illustrated by S.D. Nash (3rd ed.). Conservation International. p. 640–644.