Tachybaptus rufolavatus
Fiseho
Ny Tachybaptus rufolavatus dia karazam-borona an-drano ao amin' ny fianakaviana Podicipedidae izay tsy hita afa-tsy tao amin' ny farihy Alaotra sy ny farihy manodidina eto Madagasikara, nambara tamin' ny fomba ôfisialy fa lany tamingana tamin' ny taona 2010 taorian' ny 25 taona tsy nahitana azy ary tsy namela na fotoana kely hiandalinana azy io. Ny fahalany tamingany dia voalohany indrindra noho ny fampidiran' ny olombelona trondro mpihaza izay nifaninana tamin' ilay vorona amin' ny fahazoana sakafo, ary koa ny fandravana ny toeram-ponenany. Mitovitovy amin' ny bikan' ny Tachybaptus ruficollis izy io ka maro taminy ny nivady tamin' io karazana io.