TV5 Monde

Ny TV5 Monde, izay antsoina hoe TV5 tany am-boalohany, dia rojom-pahitalavitra iraisam-pirenena miteny frantsay sady miresaka zavatra ankapobeny, naorina tamin’ ny 2 Janoary 1984. Any Paris no misy ny foibeny, ary orinasan-kaino aman-jerim-panjakan' i Frantsa, i Belzika, i Soisa, i Kanada, i Québec ary i Mônakô no tompony.
Anisan' ny tambajotram-pahitalavitra lehibe indrindra eran-tany telo ny TV5 Monde. Mampita famantarana (signaux) ho an' ny faritra valo samihafa izy, ary koa rojo roa manokana momba ny Art de vivre (Style HD) sy momba ny Tanora (Tivi5monde). Tafiditra ao anatin' ny tambajotra ihany koa ny TV5 Québec Canada, saingy fananan' ny Consortium de télévision Québec–Canada. Amin' ny maha mpandraharaha azy ao amin' ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), dia manome sehatra isankarazany maimaim-poana ny TV5 Monde, hoenti-mianatra sy mampianatra teny frantsay.
Mampita amin' ny teny frantsay izy, sady misy dikanteny amin' ny fiteny 13, amin' ny alalan' ny onjam-peo hertsiana, zanabolana, tariby, fahitalavitra IP ary ny tranonkala. Azo jerena ihany koa izy ao amin’ ny trano fandraisam-bahiny, fiaramanidina, fitaterana an-dalamby sy an-dranomasina. Tafiditra amin' ny tokantrano 421 tapitrisa, amin' ny firenena sy fizaràn-tany maherin' ny 200 ny TV5 Monde, izay jeren' ny olona 60 tapitrisa mahery isan-kerinandro tamin' ny taona 2022.