Hankany amin'ny vontoatiny

Synanceia verrucosa

Avy amin'i Wikipedia
Synanceia verrucosa

Ny Synanceia verrucosa dia karazana trondro an-dranomasina ao amin' ny fianakaviana Synanceiidae. Miaina indrindra any amin' ny rano marivon' ny Ranomasimbe Indiana sy Pasifika izy io, matetika tsy mihetsika eo amin' ny fasika fanambanin' ny ranomasina, na eo amin' ny vatohara izay mahatonga azy ho saika sarotra hita. Fotsy ka hatramin' ny volomparasy ny lokony amin' ny ankapobeny, nefa matetika miova ho volontsôkôlà, mavo na mavokely, ka sarotra ny mamaritra ny tenha lokony satria maka tahaka ny lokon' ny zavatra manodidina azy izy io.

Synanceia verrucosa

Anisan' ny trondro misy poizina indrindra fantatra izy io: ny tandaha-pantsika eo amin' ny lamosiny dia manindrona poizina mahery vaika rehefa misy mikasika azy, ka mety hiteraka fanaintainana mafy sy aretina mafy ary indraindray mety hahafaty raha tsy misy fitsaboana haingana izany. Na eo aza ny loza aterany, dia mitana anjara toerana lehibe ara-tontolo iainana izy amin' ny maha mpiremby tsy mifidy hohanina amin' ny trondro madinika sy ny biby tsy manana hazondamosina.

Mora afangaro amin' ny trondro hafa ao amin' ny fianakaviany izy, toy ny Scorpaenopsis diabolus, sy ny Scorpaenopsis hafa ary ny Pterois, na trondro liona sasany.