Hankany amin'ny vontoatiny

Suidae

Avy amin'i Wikipedia
Karazana ao amin' ny Suidae; avy any ambony havia, manaraka ny famantaranandro: * Sus scrofa (kisoadia * Porcula salvania * Hylochoerus meinertzhageni * Potamochoerus porcus * Phacochoerus africanus * Babyrousa celebensis

Ny Suidae dia fianakaviam-biby mampinono, ao amin' ny filaharana Artiodactyla, izay manana vangy lava ary manana kitro efatra ny tongony tsirairay. Ao amin' ity fianakaviana ity ny kisoa (Sus scrofa domesticus) sy ny lambo (Potamochoerus larvatus).

Atao hoe Sus domesticus ny kisoa ompiana, izay efa ela no heverina ho zana-karazan' ny Sus scrofa (kisoadia), Sus scrofa domesticus (kisoa). Mety nisy fampivadiana teo amin' ny karazana na zana-karazana izay afaka mifampiteraka ireo, izay tsy mitovy isan-krômôzôma.

Karazana misy ankehitriny

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny karazana misy ao amin' ny zana-pianakaviana Suinae, alahatra araka ny foko sy ny vondron-karazana misy azy, araka ny fanakilasiana MSW sy ITIS ao amin' ny zana-pianakaviana Suinae Gray, 1821

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]