Struthio camelus
Fiseho

Ny aotirisy afrikana dia karazana vorona tsy manidina ao amin' ny fianakaviana Struthionidae. Struthio camelus no anarany ara-tsiansa. Izy no lehibe indrindra amin' ny vorona velona rehetra. Manana hahavo 2,5 m izy io sady mahatratra lanja 130 kg (ary mety hatramin' ny 150 kg), ny lahy no lehibe indrindra sy mavesatra indrindra amin' ny vorona velona rehetra ankehitriny. Manana halava 2,10 hatramin' ny 2,75 m ny lahy, fa 1,75 hatramin' ny 1,90 m kosa ny vavy.