Aller au contenu

Streptophyta

Avy amin'i Wikipedia
Avy ankavia miankavanana ary avy ambony midina: Cycas circinalis, Chara globularis, Bryophyta (volombato) tsy voafaritra ary Polypodium virginianum.

Ny Streptophyta dia iray amin' ny fizaràn' ny Chlorobionta na Viridiplantae ("zavamaniry maitso"), dia ny zava-maniry an-tanety. Ny firafitr' ilay klady dia miovaova be arakaraka ny mpanoratra, fa ny famaritana ampiasaina eto dia ahitana ny zavamaniry an-tanety sy ny ahidrano maitso rehetra afa-tsy ny Chlorophyta (ampahany ao amin' ny ahidrano maitso) sy ny Prasinodermophyta fototra.

Fanakilasiana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Streptophyta, ao anatin' ny "taranaka maitso" (ny Archaeplastida na Plantae), dia vondrona rahalahin' ny Chlorophyta. Anisan' izany ny an' ny ahidrano maitso izay navondrona taloha ao amin' ny vondrona fototra parafiletikan' ny Streptophycophyta (anisan' izany ny Charophyceae), ary koa ny vondrona mônôfiletikan' ny Embryophyta. Tsy fantatra mazava raha ny vondrona Mesostigmatophyceae no vondrona rahavavin' ny Streptophyta hafa rehetra, na vondrona rahalahin' ny fitambaran' ny Chlorophyta sy ny Streptophyta. Indraindray dia avondrona amin' ny anarana hoe Streptophytina (na Streptophyta amin' ny heviny tery) ny filaharana Charales sy Coleochaetales ary ny Embryophyta.

Noho izany, ny Streptophyta dia ahitana:

  • ny Mesostigmatophyceae (?)
  • ny Chlorokybophyceae
  • ny Klebsormidiophyceae
  • ny Zygnematophyceae
  • ny Charophyceae sy ny Coleochaetophyceae
  • ny Embryophyta izay fitambaran' ireto: