Hankany amin'ny vontoatiny

Strelitzia

Avy amin'i Wikipedia
Strelitzia reginae

Ny Strelitzia dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny filaharana Zingiberales, fanao haingo, ao amin' ny fianakaviana Strelitziaceae. Nanomezana voninahitra ny fahatsiarovana ny mpanjakavavy Charlotte of Mecklenburg-Strelitz ny anarany. Bôtanista tamin' ny fotoanany ity mpanjakavavy ity, izay anisan' ny mpanorina ny Kew Gardens.

Ny mpanjakavavy Charlotte
Strelitzia caudata

Tsy manana afa-tsy karazana afrikana ity vondron-karazana ity, nefa matetika volena any amin' ny zaridaina trôpikaly manerana izao tontolo izao hatao haingo ny Strelitzia reginae sy ny Strelitzia nicolai. Teratany any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika ny Strelitzia rehetra. Amin' ny maha anisan' ny filaharana Zingiberales ny Strelitzia dia manana endrika miavaka izy io amin' ny raviny mivelatra be sady mafy ary ny vondrom-boniny mihidy anaty fonony.

Strelitzia juncea

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Strelitzia nicolai

Inty ny lisitry ny karazana araka ny World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (20 Marsa 2012):

  • Strelitzia alba (L.f.) Skeels (1788)
  • Strelitzia caudata R.A.Dyer (1946)
  • Strelitzia juncea Link (1821)
  • Strelitzia nicolai Regel & K.Koch (1858)
  • Strelitzia reginae Banks. (1788)
    • Strelitzia reginae subsp. mzimvubuensis van Jaarsv. (2007)
    • Strelitzia reginae subsp. reginae

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]