Hankany amin'ny vontoatiny

Spondias tefyi

Avy amin'i Wikipedia

Ny Spondias tefyi dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Anacardiaceae. Atao hoe sakoambaditsy na sakoa izy io amin' ny teny malagasy. Vao haingana no hita tany amin' ny alan' Analavelona izy io (atsimo-andrefan' i Madagasikara), izay mahatratra haavo 15 ka hatramin' ny 18 m. Loharanon-tsakafo lehibe ho an' ny karazana gidro maromaro ao amin' ny faritra ny voany. Tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ity dia karazana ity. Maniry amin' ny ala maina na somary mando izy io, izay manampy amin' ny firafitry ny tontolo iainana eo an-toerana, indrindra any amin' ny faritra andrefana. Natao ho fanomezam-boninahitra an' ilay nahatsikaritra voalohany ny maha karazana vaovao azy io anarany ara-tsiansa io: Andriamahefarivo Tefy.

Faritra sy toerana ahitana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Spondias tefyi, na sakoambaditsy, dia tsy fahita raha tsy any amin' ny faritra atsimo-andrefan' i Madagasikara, any amin' ny toerana valo ao amin' ny tangoron-tendrombohitra Analavelona ​sy ao amin' ny alan' i Zombitse ary ao Marofandiliha. Eo amin' ny 400 ka hatramin' ny 1 100 m ny haabon' ny toerana ahitana azy. Ao amin' ny tangoron-tendrombohitra Analavelona izy dia maniry any amin' ny ala smary mando eo anelanelan' ny haabo 817 sy 1 050 m. Ao Zombitse izy dia hita any amin' ny ala maina manintsan-dravina amn' ny toerana manana haabo mihoatra ny 400 m.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]