Spondias

Ny Spondias dia vondron-karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Anacardiaceae, ao amin' ny filaharana Sapindales. Ahitana karazana fito ambin' ny folo ity vondron-karazana ity, ka ny fito avy any Amerika trôpikaly ary folo any Azia Atsimo sy Azia Atsimo-Atsinanana.
Hazo mihintsan-dravina na maitso ravina lalandava ny karazana ao amin' ny Spondias, mahatratra 25 m ny haavony. Mifandimby sy miolikolika ny raviny. Mitovitovy amin' ny manga kely ny voany (vondron-karazana mitovitovy amin' ny Mangifera), 4-10 sm ny halavany, izay miova mavo na volomboasary rehefa masaka ary misy vihim-boa tokana. Nohavaozin' i Ding Hou tamin' ny taona 1978 ny karazana ao amin' ny Spondias any Azia Atsimo-Atsinanana. Nofaritana tamin' ny taona 1998 ny karazana hita vao haingana indrindra, dia ny Spondias testudinis. Atao hoe sakoa sy zevy koa izy ireo amin' ny teny malagasy, nefa atsoina amin' io anarana hoe "sakoa" io koa ny karazana sasany ao amin' ny Poupartia (Poupartia caffra sy Poupartia minor).
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Janoary 2024, ny Plants of the World Online dia manaiky karazana 18:
- Spondias admirabilis J.D.Mitch. & Daly
- Spondias bahiensis P.Carvalho, Van den Berg & M.Machado
- Spondias bipinnata Airy Shaw & Forman
- Spondias dulcis Parkinson —
- Spondias expeditionaria J.D.Mitch. & Daly
- Spondias globosa J.D.Mitch. & Daly
- Spondias macrocarpa Engl.
- Spondias malayana Kosterm.
- Spondias mombin L. —
- Spondias novoguineensis Kosterm.
- Spondias pinnata (L.f.) Kurz
- Spondias purpurea L. —
- Spondias radlkoferi Donn.Sm.
- Spondias tefyi J.D.Mitch., Daly & Randrian.
- Spondias testudinis J.D.Mitch. & Daly
- Spondias tuberosa Arruda — Umbú, imbu, Brazil plum
- Spondias venulosa (Mart. ex Engl.) Engl.
- Spondias xerophila Kosterm.
Anarana mitovy hevitra sasany
[hanova | hanova ny fango]- Spondias cytherea Sonn. — Spondias dulcis
- Spondias haplophylla Airy Shaw & Forman — Bouea oppositifolia (Roxb.) Meisn.
- Spondias indica (Wight & Arn.) Airy Shaw & Forman — Solenocarpus indicus Wight & Arn.
- Spondias lakonensis Pierre — Allospondias lakonensis (Pierre) Stapf
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Karazana tokana maniry hoazy any anaty ala no tena teratany eto Madagasikara, dia ny Spondias tefyi, fa ny ankoatr' izany dia karazana nampidirina, indrindra ny Spondias dulcis izay atao hoe Spondias cytherea koa.
- Spondias tefyi — sakoa (maniry ao amin' ny alan' Analavelona (ao atsimon' i Madagasikara).
- Spondias dulcis (= Spondias cytherea) — sakoa, sakoa manga
- Spondias mombin —
- Spondias purpurea —