Spermatophyta
| Spermatophyta | |
|---|---|
| Adansonia digitata (karazana zaha na reniala) anisan' ny Angiospermae | |
| Pinus sylvestris | |
| Fanasokajiana ara-tsiansa | |
| Fanjakana: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
Ny Spermatophyta, izay antsoina taloha hoe Phanerogame, dia vondron-javamaniry misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta) mamokatra vihy, ka izany no mahatonga azy ireo hantsoina hoe zavamaniry misy vihy.
Dingana lehibe amin'ny tantaran' ny fivoaran' ny zavamaniry ny fisehoan' ny vihy. Ao amin' ny vihy no ahitana ny singa rehetra izay ahafahan' ny briôfita (Bryobiotina) sy pteridôfita (Pteridophyta) mitaranaka. Ny singa amin' ny fanaparitahana dia tsy ny spôra avy amin' ny spôrôfita intsony, fa ny gametôfita mivantana:
- gametôfita lahy tsy matoy amin' ny endrika vovobony;
- gametôfita vavy mitondra tsaika aorian' ny fitsaihana, ny gametôfita mihitsy no voarakitra ao amin' ny fonom-bihin' ny megaspôranjy, ny fitambarany dia vihy.

Amin' ny spermafita dia misy vihy miboridana (tsaika voahodidin' ny tahirim-bihy (fr: albumen) sy tambatsela mpiaro): ireo no Gymnospermae izay misy fisampanana 4 ankehitriny (Pinophyta, Cycadales, Ginkgo, ary Gnetophyta).
Ny hafa koa, izay namolavola fitsaihana indroa mamokatra tamba-tsela fanampiny mpanome sakafo, miaro ny vihiny ao anatin' ny fihary atodinaina izay hanome ny voany: ireo no atao hoe Angiospermae misy fisampananana Magnoliophyta.
Ireo fanavaozana ireo dia manazava ny fahombiazan' ny fivoarana mianfalan' ny zavamaniry misy vihy, anisan' izany ny Angiospermae (izay ahitana karazana 370 000) sy ny Gymnospermae (ahitana karazana 800) izay nivoatra mba hanome ny tarihan-taranaka maro isan-karazany indrindra eo amin' ireo zavamaniry misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta).