Sondergut

Ny Sondergut, amin' ny famakafakana ny Baiboly, dia ny ampahany manokana amin' ny boky tsirairay ao amin' ny Baiboly raha ampitahaina amin' ny boky hafa. Manan-danja lehibe eo amin' ny fandalinana ny Testamenta Vaovao sy eo amin' ny olana sinôptika ity hevitra ity, araka izay ambaran' ny petrakevitry ny loharano roa.
Fampahafantarana
[hanova | hanova ny fango]Ny Sondergut, izay midika hoe "lovantsofina manokana", dia ampahan-dahatsoratra ampiasain' ny mpampandry an-tsoratra tokana, izay tsy hita ao amin' ny asasoratry ny mpanoratra hafa. Araka ny petrakevitry ny loharano roa, izay eken' ny ankamaroan' ny mpikaroka ankehitriny, dia saika ny an' ny Filazantsaran' i Matio sy Filazantsaran' i Lioka no nandray saka manontolo ny Filazantsaran' i Marka: amin’ ny fitambarany, andininy 635 amin' ny 661 araka an' i Daniel Marguerat. Vokatr' izany, ny fialohavan' i Marka dia napetraka, miaraka amin' ny fisian' ny "Loharano Q" izay vinavinaim-pisiana ,izay fitambaran' ny Logia an' i Jesoa izay hita taratra ao amin' ny Matio sy ny Lioka.

Na izany aza, ny Filazantsaran' i Matio sy ny Filazantsaran' i Lioka dia samy manana ny ampahan-dahatroratra azy manokana avy: ny Sondergut-n' ny Evanjelin' i Matio, antsoina hoe Smt, ary ny Sondergut-n' ny Evanjelin' i Lioka, antsoina hoe Slc. Ankoatra ny findramana avy amin' ny Marka sy avy amin' ny Loharano Q, ireo evanjelistra roa ireo raha ny marina dia nampiasa, tsy miankina, lahatsorata hafa manokana, izay ahitana logia sy fitantarana, izay mamorona ny Sondergut an' ny tsirairay avy.
Ny adihevitra ankehitriny dia mahakasika ny tsipika mampisaraka ny Smt sy ny Slc amin' ny lafiny iray, ary ny Loharano Q amin' ny lafiny iray hafa.
Ny Sondergut-n' ny evanjely tsirairay
[hanova | hanova ny fango]Sondergut-n' ny Evanjelin' i Marka
[hanova | hanova ny fango]Ny Sondergut-n' ny Evanjelin' i Marka dia tsy ahitana afa-tsy andininy 26 (amin' ny fitambarana 661) araka ny voalazan' i Daniel Marguerat, anisan' izany:
- Marka 2:27
- Marka 3:20-21
- Marka 4:26-29: ny Mpamafy
- Marka 7:31–37: Fanasitranana ilay moana-marenina tao Dekapôlisy
- Marka 8:22–26: ilay lehilahy jamba tao Betsaida
- Marka 9:48-49
- Marka 14:51-52: ilay zatovolahy miboridana
- Marka 15:44
Sondergut-n' ny Evanjelin' i Matio
[hanova | hanova ny fango]
Ny Sondergut-n' ny Evanjelin' i Matio dia ahitana andininy 310 (amin' ny totaly 1068) araka ny voalazan' i Daniel Marguerat: indrindra ny Filazantsaran' ny Fahazazana (1-2), logia isan-karazany anisan' izany ny Toriteny teo an-tendrombohitra (5, 6, 7), sy ny Fanirahana ary ny lahateny manohitra ny Fariseo, fanoharana maromaro ary farany ny tantaran' ny Fijalian' i Kristy. Tanisaina manokana ireto:
- Matio 1:1–17: ny Tetiaran' i Jesoa (midina)
- Matio 2:1–23: ny Magy (2:1–12), ny Fandosirana tany Egipta (2:13–15), ny Fandringanana ny zaza tsy manan-tsiny (2:16-18) ary ny Fiverenana avy any Egipta arakarahin' ny fiorenam-ponenana tao Nazareta (2:19-23)
- Matio 5:33–37
- Matio 6:1–6
- Matio 6:16–18
- Matio 10:34
- Matio 13:24–30: ny fanoharana ny amin' ny voan-tsimparifary
- Matio 13:36–52: ny fanoharana ny amin' ny harato tarihina (13:47-50)
- Matio 16:18-19: ny maha lohalaharana an' i Petera
- Matio 17:24–27
- Matio 18:15–35: ahitana indrindra ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy miantra (18:23-35)
- Matio 20:1–16: ny fanoharana momba ny mpiasa tonga tamin' ny ora faha iraika ambin' ny folo
- Matio 21:31–35
- Matio 25:1–13: ny fanoharana momba ny Virjiny folo
- Matio 25:31–46: ny Fitsarana farany
- Matio 27:24-25: ny ozon' ny ra
- Matio 27:62–66
- Matio 28:11–20: ny famitahan' ny lohandohan' ny Jiosy ny Fanirahana Lehibe izay mamarana ity Filazantsaa ity.
Sondergut-n' ny Evanjelin' i Lioka
[hanova | hanova ny fango]Ny Sondergut-n' ny Evanjelin' i Lioka dia ahitana andininy 550 (na 45 % amin' ny fitambarany 1 149) araka ny voalazan' i Daniel Marguerat, anisan' izany ny Filazantsaran' ny fahazazana, ny Tetiaran' i Jesoa, ny toriteny fanokafana tany Nazareta, fanoharana samihafa (ilay Samaritana tsara fanahy, ilay Sakaiza manelingelina, ilay Mpanankarena, ilay Aviavy tsy namoa, ilay Drakma very, ilay Zanaka adala, ny fanoharana momba ilay Mpanankarena sy i Lazarôsy, ny fanoharana momba ny Fariseo sy ny Mpamory hetra), fitantarana fahagagana, ny sombiny amin' ny Fijalian' i Kristy ary ny fitantarana ny Paska. Anisan' izany, ankoatra ny hafa, ireto lahatsoratra manaraka ireto:
- Lioka 1:5–25: fanambaràna ny hahaterahan' i Joany Batista
- Lioka 1:26-38: fanambaràna tamin' i Maria
- Lioka 1:39–79: ny famangian' i Maria Virjiny (1:39–45), ny Hiran' i Maria (1:46–56), ny fahaterahan' i Joany Batista sy ny famorana azy (1:57–66), ny Hiran' i Zakaria (1:67–79)
- Lioka 2:1–52: ny fahaterahan' i Jesoa sy ny famangian' ny mpiandry ondry (2:1–20), ny famorana an' i Jesoa (2:21), ny fitondrana an' i Jesoa tao amin' ny Tempoly (2:22–28), ny Hiran' i Simeôna (2:29–32), ny faminanian' i Simeôna (2:33–35), ny faminanian' i Ana (2:36–38), ny fiainana miafin' i Jesoa tao Nazareta (2:39–40), i Jesoa teo anivon' ny mpanora-dalàna (2:41–50) ary tohin' ny fiainana miafin' i Jesoa tao Nazareta (2:51–52)
- Lioka 3:23-38: ny tetiaran' i Jesoa (miakatra)
- Lioka 6:17-49: ny Lahateny tao an-dohasaha
- Lioka 7:11-17: ny fananganana amin' ny maty ny zanaka lahin' ilay vehivavy mpitondra tena tao Naina
- Lioka 7:34–50: ilay vehivavy mpanota voavela heloka sy ny mpitrosa roa lahy (7:41-43)
- Lioka 8:1–2
- Lioka 10:25–37: ilay Samaritana tsara fanahy sy ny Fitsipika volamena
- Lioka 11:5–8: ilay Sakaiza manelingelina
- Lioka 12:16-21: ilay Mpanankarena
- Lioka 13:6-9: ilay Aviavy tsy namoa
- Lioka 15:1–32: ny Drakma very (15:8-10) sy ilay Zanaka mpandany (15:11-32)
- Lioka 16:1-8: ilay mpitandrim-pananana tsy mahatoky
- Lioka 16:19-30: ny fanoharazna ny amin' ilay Mpanankarena sy i Lazarôsy
- Lioka 17:11–19: ny fanasitranana ny boka folo
- Lioka 18:9-14: ny fanoharana momba ny Fariseo sy ny Mpamory hetra
- Lioka 19:1–10: i Zakaiôsy
- Lioka 23:39–43: ny jiolahy roa tsara sy ratsy
- Lioka 24:13–35: ny mpivahiny masina avy any Emaosy
Sondergut-n' ny Evanjelin' i Joany
[hanova | hanova ny fango]
Inty kosa ny Sondergut-n' ny Evanjelin' i Joany:
- Joany 2:1-11: Fampakaram-bady tao Kanà
- Joany 3, 7 et 19: i Nikôdemôsy
- Joany 4:1-30: i Jesoa sy ilay vehivavy samaritana
- Joany 11:1-44: Fananganana an' i Lazarôsy amin' ny maty
- Joany 13:1-20: Fanasan-tongotra
- Joany 20:17: Noli me tangere ("Aza mikasika Ahy")
- Joany 20:24-29: ny tsy finoan' i Tômasy