Hankany amin'ny vontoatiny

Solofo José

Avy amin'i Wikipedia

Solofo José na Rakotosolofo Joseph no tena anarany. Izy dia mpanoratra sy mpilalao tantara malagasy. Nisongadina tamin'ny filalaovana tantara amin'ny onjam-peo. Anisan'ireo namorona ny fikambanana poeta sy mpanoratra Faribolana Sandratra.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

I Rakotosolofo Joseph dia teraka ny 9 aprily 1947 tao Antohomadinika atsimo ary maty ny 13 Febroary 2014. Izy dia zanak'i Rakotoson sy Ravaonirina.Tamin' ny 09 desambra 1972 izy dia Nanambady an'i Razaiarimanana Marie Lydia izay poeta fantatra amin'ny solon'anarana hoe Lydiary izy .Manan-janaka efatra izy : Rakotosolofo Tsiry Hasimbola, Rakotosolofo Mialy Seheno, Rakotosolofo Saroy, Rakotosolofo Ranto.

Fianarana

[hanova | hanova ny fango]

Izy dia nanao ambaratonga fototra tao amin'ny frera marista Isotry, ny ambaratonga faharoa dia nataony tao amin'ny St Joseph Andohalo sy sainte famille Mahamasina.Ary teny amin'ny anjerimanontolo no nahazoany "licence de lettres" sy "license de philosophie"