Solanum nigrum



Ny Solanum nigrum dia zavamaniry ahitra ao amin' ny filaharana Solanales, fianakaviana Solanaceae, ao amin' ny vondron-karazana Solanum, karazana anamamy. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe amafaitra, amelo, anamafaika, anamainty, anamamidia, anamamy, anamangidy, anangitakely, anantsatria, anantsatry, famoizan' aretina, hanga, voanamainty, voananana, ary voanantay.
Tahaka ny Solanaceae rehetra, ny taova sasany amin' ilay zavamaniry (anisan' izany ny voany manta) dia misy gliokôalkalôida misy poizina, ka izany no mahatonga io zavamaniry io ho tsy tian' ny olona volena (ny voany manta mitovy endrika sy habe amin' ny pitipoà). Ity zavamaniry ity dia azo ampiasaina amin' ny fitsaboana ary ambolena hohanina any amin' ny faritra sasany eto an-tany.
Ho an' ny Malagasy, ny Solanum nigrum dia matetika maniry amin' ny antontan-jezika na amin' ny toerana fangeren' ny olona (matetika, araka ny fomba nentim-paharazana, eny atsimon-tanàna). Mba hisorohana ny aretina dia voarara ny fihinanana azy ireo.
Fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- Ny hoe "anamafaitra" sy "anamafaika" ary "anamangidy" dia anarana amin' ny teny malagasy iantsoana koa ny Glinus oppositifolius (Mollugo oppositifolia taloha).
- Ny hoe "anantsatria" dia anarana amin' ny teny malagasy iantsoana koa ny Solanum americanum (ilay tena fantatra indrindra amin' ny anarana hoe "anamamy").