Hankany amin'ny vontoatiny

Solanum americanum

Avy amin'i Wikipedia
Anamamy

Ny Solanum americanum dia karazan-javamaniry ahitra misy voniny sy ravina mivelatra. Misy amin' izy ireo ny avy any Amerika, any Melanezia, any Ginea Vaovao ary any Aostralia. Maro ny anarany ara-tsiansa ka anisan' izany ny hoe Solanum nodiflorum. Indreto ny anarany hafa amin' ny teny malagasy: anamamy, anantsatria, anantsindrana, avaizo, bemine ary mailo. Ny Solanum americanum anefa no be mpahafantatra amin' ny anarana hoe "anamamy".

Ravina sy voan' anamamy masaka (mainty) sy manta (maitso)

Nentina novolena any amin' ny ankamaroan' ny faritra trôpikaly ity zavamaniry ity: faritr' i Pasifika sy faritry ny Ranomasimbe Indiana (Hawaii, Indôsina, Madagasikara ary Afrika), mety tamin' ny alalan' ny fitondran' ny olona nifindra monina any amin' ireo toerana ireo. Anisan' ny karazan-javamaniry miparitaka be indrindra sy miovaova ara-endrika ao amin' ny fizarana Solanum ny Solanum americanum.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]