Solanum

Ny Solanum dia vondron-karazan-javamaniry roa ravin-tsimoka amin' ny fianakaviana Solanaceae, ao amin' ny zana-pianakaviana Solanoideae, izay manana fitsinjara saika amin' ny toerana rehetra, indrindra any amin' ny faritra mafana any Amerika. Ity vondron-karazana ity, izay ahitana karazana miisa 1 200 any ho any, no lehibe indrindra amin' ny fianakaviana Solanaceae ary laharana faha-9 amin' ny vondron-karazana lehibe indrindra rehetra ao amin' ny vondron-javamaniry mamony (Angiospermae).
Ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Solanum dia zavamaniry ahitra sy hazomadinika ary hazo, indraindray mandady mianika, amin' ny ankapobeny misy volovolo, manana ravina mifandimby miaraka amin' ny felana feno na toa voahetihety. Ny voniny, izay sady lahy no vavy, miaraka amin' ny antera (totsim-bovoka) matetika mitambatra manodidina ny tahom-bavimbony, dia mivondrona ao anaty vondrom-bony. Ny voany amin' ny ankapobeny dia boribory na toy ny atody, misy vihy miovaova isa, amin' ny ankapobeny fisaka.
Karazana maro amin' ity vondrona ity no ambolena, na hatao sakafo (toy ny ovy, ny voatabia na ny baranjely) na hatao haingo. Ny karazana hafa dia ampiasaina amin' ny fitsaboana. Ny karazana rehetra amin' ny Solanum dia misy poizina kely na be, toy ny Solanum laxum (fanao haingo) sy ny Solanum dulcamara (mafai-mamy), satria misy ao amin' ny taovany rehetra (indrindra amin' ny voany sy amin' ny raviny), fa amin' ny fatrany miovaova, ahitana poizina toy ny glikôalkalôida sy sapôninina sterôidika.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Ity vondron-karazana ity, izay ahitana karazana miisa 1 200 any ho any, fa vitsivitsy amin' ireo no hotanisaina eto, indrindra ireo izay manana anarana amin' ny teny malagasy.
- Solanum aphananthum (ranenda, ranendo)
- Solanum apocynifolium (kiranzy, vahiara)
- Solanum auriculatum (ambiatibe, fanasandovia, sevabe, tambakobe, tambakolahy, tambako ratsy, tsiariboamena, voampoabe)
- Solanum dulcamara (mafai-mamy)
- Solanum erythracanthum (angivy, fahavalonkazo, hazomiarotena, hazomitompovohitra, heritsilo, hery, tsilohery)
- Solanum erythrocarpon (roingivy, voampoa, voangivy)
- Solanum forsythii (mangidikely, voampokely)
- Solanum indicum (angivibe, angivy, ankivy, toreraka, voampabe, voampo, voampoa, voampoana, voangily, voangivibe, voapo)
- Solanum lycopersicum (voatabia, voabonga)
- Solanum macrocarpon (angivibe, angivy)
- Solanum macrocarpum (voampoabe, voangivibe)
- Solanum madagascariense (lahirohy, vahihazo, vahimbingy, vahinaomby)
- Solanum melongena (angivimbazaha, bana, baranjely, bengaly, beranjely, boraraka, boreraka, toraraka, toreraka, voabana, voangivimbazaha)
- Solanum nigrum (amafaitra, amelo, anamafaika, anamainty, anamamidia, anamamy, anamangidy, anangitakely, anantsatria, anantsatry, famoizan' aretina, hanga, voanamainty, voananana, voanantay)
- Solanum nitens (hendramena, sakaikely, voamainty)
- Solanum nodiflorum (anamamy, anantsatria, anantsindrana, avaizo, bemine, mailo)
- Solanum nossibeense (angiviala)
- Solanum pyracanthos (roingivy, tsingivy, vangivy)
- Solanum richardii (voabana)
- Solanum trigonoplum (fatipatikanala)
- Solanum tuberosum (kambo, ovy, ovimbazaha, ovivory)
Teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny teny malagasy ilazana ny maro amin' ny zavamaniry ao amin' ny Solanum:
- amafaitra, ambiatibe, amelo, anamafaika, anamainty, anamamidia, anamamy, anamangidy, anangitakely, anantsatria, anantsatria, anantsatry, anantsindrana, angiviala, angivibe, angivimbazaha, angivy, ankivy, avaizo,
- bana, baranjely, bemine, bengaly, beranjely, boraraka, boreraka,
- fahavalonkazo, famoizan' aretina, fanasandovia, fatipatikanala,
- hanga, hazomiarotena, hazomitompovohitra, hendramena, heritsilo, hery,
- kambo, kiranzy,
- lahirohy,
- mafai-mamy, mailo, mangidikely,
- ovimbazaha, ovivory, ovy,
- ranenda, ranendo, roingivy, roingivy,
- sakaikely, sevabe,
- tambako ratsy, tambakobe, tambakolahy, toraraka, toreraka, tsiariboamena, tsilohery, tsingivy,
- vahiara, vahihazo, vahimbingy, vahinaomby, vangivy, voabana, voabonga, voamainty, voampabe, voampo, voampoa, voampoabe, voampoana, voampokely, voanamainty, voananana, voanantay, voangily, voangivibe, voangivimbazaha, voangivy, voapo, voatabia