Sola scriptura

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny andian-teny latina hoe Sola scriptura, izay midika hoe "amin'ny alalan'ny Soratra irery" sady adikan'ny teolojiana protestanta miteny malagasy amin'ny hoe "Soratra Masina irery ihany" dia enti-manondro ilay ainga fototra protestanta izay milaza fa ny Baiboly no fahefana fara tampony sady tokana izay tsy maintsy ankatoavin'ny Kristiana sy ny Fiangonana amin'ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana. Misy dimy ireo andian-teny manomboka amin'ny teny hoe Sola ka iray amin'izany ny "Sola scriptura".

Ny Baiboly no mirakitra ny tenin'Andriamanitra ka izy irery ihany no manana fahefana teolojika sady mpanoro lalana ho an'ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin'ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany". Ny toriteny ataon'ny mpanao raharaham-piangonana voaofana, indrindra voaofan'ny Fanahy Masina, no manazava azy. Amin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelona ampitainy no amaritany fitsipi-piainana izay ahatakarana sy iasan'ny andraikitry ny tsirairay.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]