Sokajin'ny haavon'ny fahaiza-misaina arak'i Bloom (Taxonomie de Bloom)

Ny "taxonomie" an’i Bloom na koa raha ny adika dia hoe ny Sokajin'ny haavon’ny fahaiza-misaina arak'i Bloom dia fitaovana iray amin'ny pedagojia (fomba fianarana sy fampianarana) izay manolotra sy manazava ireo fizarazaran’ny haavon’ny fahaiza-misaina.
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Na dia tsy izy irery aza no namorona izany (mpampianatra ambony amerikanina no nandray anjara tamin’ny fihaonambe teo anelanelan’ny 1949 sy 1953), dia i Benjamin Bloom no matetika heverina ho «ray na mpanaky lay» n’ity fitaovana ity.
Ity fanasokajiana nataon'i Bloom ity dia mandamina ny fahahalalana araka ny filaharana manaraka ambaratonga. Izany dia miainga amin’ny fitadidiana tsotra fotsiny (na koa fanaovana tsianjery) ilay hevitra hianarana ka hatrany amin’ny fikirakirana sarotra kokoa io hevitra io.
Mampiasa ity fanasokajiana nataon'i Bloom ity ny fanabeazana miorina amin’ny tanjona (pédagogie par objectifs) sy ireo fomba fanao avy amin’ny hetsika fanabeazana vaovao.
Fomba fiasa avy any ambany mankany ambony izany, izay manorina avy amin’ny zavatra mora takarina, tsapan’ireo taovam-pandrenesana, sy mora ifampizarana — toy ny fanorenana fototra — mankany amin’ny fananganana eritreritra lalina kokoa tatỳ aoriana.
Ireo ambaratongan'ny Fanasokajiana nataon'i Bloom
[hanova | hanova ny fango]
Azo fintinina amin'ny ambaratonga enina (06) izany sokajin'ny haavon’ny fahaiza-misaina arak'i Bloom izany. Ny ambaratonga tsirairay dia mifanaraka amin'ny asan'ny saina manoloana ilay fahalalana ho kirakirainy. Amin'ny ankapobeny, arakaraka ny hiakaran'ny olona iray amin'ny ambaratonga iray no ahafahan'ny sainy mivelatra ao anatin'izany fanasokajiana izany.
Ity sokajin'ny haavon’ny fahaiza-misaina arak'i Bloom dia manampy ny mpampianatra amin'ny famolavolana fanontaniana izay manampy amin'ny fametrahana ny haavon'ny fahatakarana ny mpianatra. Ohatra, ny fanontaniana iray dia afaka hamaritana raha
- mahay mitadidy ilay mpianatra (Fitadidina)
- mahataka ilay hevitra ao anaty izy (Fahatakarana)
- mahay mampiatra ilay fahalalana izy (Fampiharana)
- afaka manao fanadihadiana izy (Famakafakana)
- afaka manoaka tsoan-kevitra (Fanatsoahana hevi-dehibe)
- afaka manombana ny tenany izy (Fanombanana)
Amin'ny fandrafetana fanontaniana, ny mpampianatra dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fahalemena sy ny tanjaky ny mpianatra, izay manampy amin'ny fampiroboroboana ny fivoaran'ny fianarana any amin'ny ambaratonga ambony .
Fanitsiana
[hanova | hanova ny fango]Hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1956, ny tsikera momba ny sokajin'ny haavon’ny fahaiza-misaina arak'i Bloom dia tsy nifantoka tamin'ny fisian'ireo sokajy enina ireo, fa ny zava-misy amin'ny fifandraisana eo amin'ireo sokajy ireo.
Ny sasany dia mihevitra ny ambaratonga telo ambany indrindra (fahalalana, fahatakarana, fampiharana) ho voalamina araky ny tokony ho izy, fa ny ambaratonga ambony telo (famakafakana, ny fanatsoahana hevi-dehibe ary ny fanombanana) ho mitovy tantana. Ny hafa dia manoro hevitra fa mety kokoa indraindray ny manomboka amin'ilay ambaratongan'ny fampiharana, alohan'ny hampidirana hevitra vaovao.
Noho izany, tamin'ny taona 2001, ny sokajin'ny haavon’ny fahaiza-misaina arak'i Bloom nohavaozina dia natolotry ny mpanoratra maromaro anisan'izany i Lorin W. Anderson (University of Texas) sy David R. Krathwohl (Michigan State University, mpiara-manoratra ny "Taxonomie" tany am-boalohany). Ity fanavaozana ity dia mametraka, ankoatra ny zavatra hafa hahitsiny fa ny ambaratonga Fanatsoahana hevi-dehibe no ambaratonga ambony noho ny Fanombanana.