Sohika
Ny sohika dia aretina mamaivay sy maharitra mahazo ny taovam-pisefoana miantraika amin' ny lalan-drivotra ambany, indrindra fa ny zanatraoka sy ny traoka ao amin' ny havokavoka. Mampiavaka azy ny soritr' aretina miovaova sy miverimberina, ny sakantsakana amin' ny lalan-drivotra sy ny fihondratsondratan' ny traoka aterak' izany.
Anisan' ny soritr' aretina ny fisehon' ny fisefoana misioka, ny kohaka, ny fihenjanan' ny tratra ary ny fahasemporana. Miharatsy ny soritr' aretin' ny sohika izay indraindray antsoina hoe "famelezan' ny sohika" na "fitomboan' ny sohika" izay mety hitranga rehefa misy akora miteraka fahatohinan' ny taovam-pisefoana, ohatra ny vovobony, ny vovoka, na poti-javatra hafa, miditra ao amin' ny havokavoka, ka mahatonga ny zanatraoka ho tery sy hamokatra tsiloly, izay mametra ny fikorianan' ny ôksizenina mankany amin' ny lavaka kely ao amin' ny havokavoka. Mety hitranga imbetsaka isan' andro na imbetsaka isan-kerinandro izany. Arakaraka ny olona, dia mety hiharatsy amin' ny alina na amin' ny fanaovana ezaka mafy ara-batana ny soritr' aretin' ny sohika.
Tamin' ny taona 2019, olona 262 tapitrisa eo ho eo no voan' ny sohika ary 461 000 eo ho eo no maty. Aty amin' ny tany an-dalam-pandrosoana no nitrangan' ny ankamaroan' ny fahafatesana. Matetika dia manomboka amin' ny fahazazana ny sohika, ary nitombo be ny tahany nanomboka tamin' ny taompolo 1960.