Hankany amin'ny vontoatiny

Slimane ( mpanakanto)

Avy amin'i Wikipedia

Slimane Nebchi, izay fantatry ny maro amin'ny anarana hoe Slimane, dia mpihira sady mpamoron-kira, ary mpilalao an-tsehatra. Mizaka ny zom-pirenena Frantsay izy, teraka ny 13 oktobra 1989 tao Montfermeil ( Seine-Saint-Denis ).

Slimane Nebchi
Ankapobeny
AnaranaSlimane Nebchi
Teraka13 oktobra1989
ToeranaMontfermeil
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaFrantsay
Asa :Mpihira
Asa hafaMpilalao sarimihetsika,

Mpamoron-kira Mpandrindra hira

Fiainana manokana

Nahazo ny loka " the Voice" tamin'ny andiany fahadimy izy, izay feo tsara indrindra tamin'ny 14 may 2016, talohan'ny namoahany ny rakikirany voalohany, "À bout de rêves" , tamin'ny volana jolay 2016, ary faharoa tamin'ny volana Janoary 2017.

Tamin'ny taona 2020, nahazo ny loka voalohany tamin'ny hira tsara indrindra izay niarahan'ny tamin'ny Vitaa izy. Tamin'ilay hira mitondra ny lohateny hoe:"ca va vient" Izy no nisolo tena an'i Frantsa tamin'ny fifaninanan- kira Eurovision 2024, tany Malmö ( Soeda ), niaraka tamin'ilay hirany hoe "Mon amour" . Nahazo ny laharana fahefatra izy tamin’io fifaninanana io,

tantaram-piainany

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiaviany sy ny fianakaviany

[hanova | hanova ny fango]

Avy amin'ny fianakaviana Alzerianina, avy any Bouchagroune ( wilaya of Biskra ) no nisy azy. I Slimane Nebchi dia teraka tamin'ny 13 oktobra 1989 tao Montfermeil ( Seine-Saint-Denis ) ary lehibe tao Chelles ( Seine-et-Marne ) manana ralahy iray sy anabavy roa i ary izy no zokiny indrindra amin'izy ireo .

Slimane dia nanan-janaka vavy iray izay antsoina hoe Esmeralda. Teraka aloha loatra ( tsy tonga volana) izy tamin'ny 2 Janoary 2022. Ka noho izany dia naneho fahatsiarovana sy fanehoam-pitiavana azy ny rainy, tamin'ny alalan'ilay hira mitondra ny lohateny hoe :" des milliers de je t'aime".

Fiantombohan'ny mozikany

[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny maha zatovo azy, tamin'ny taona 2002, i Slimane Nebchi dia tena nahatsapa fa tena liana tanteraka amin'ny hira ka niditra tao amina amboarampeon'ny filazantsara iray

Taorian'ny nahazoany ny bakalorea dia betsaka ireo toeram-panofanana mozika nianarany nandritra ny telo taona, ary nanao fampisehoana tao amin'ny toeram-piantsonana tao Pigalle . Nandray anjara tamin'ny fampisehoana talenta samihafa tamin'ny fahitalavitra koa izy : Popstar tamin'ny 2007 , Nouvelle Star tamin'ny 2009, ary X-Factor tamin'ny 2011 tamin'ny M6 ary Encore une chance tamin'ny 2012 tamin'ny NRJ 12 . Na dia tsy nahazo loka ny iray tamin'ireo fifaninanana ireo aza izy dia nanomboka nisarika ny saina izany rehetra izany, ary namoaka lahatsary tao amin'ny YouTube tamin'ny taona 2009, izay nanaovany ny sanganasany voalohany. Tamin'ny 2015, tao amin'ny alim-pandihizana l'Orphée de Pigalle izay nanaovany tsy tapaka fampisehoana, dia nihaona tamin'i Éric Dussart izay nifandray taminy tamin'i Didier Barbelivien, izay nitady feo tapaka ho an'ny hatsikana mozika manaraka azy, Marie-Antoinette et le Chevalier de Maison-Rouge . Barbelivien dia nampiditra azy tao amin'ny vondrona hatsikana ara- mozika, ary nasainy nanoratra ny anaram-boninahitra voalohany tamin'ny asany. Saingy noho ny tsy fahampian'ny fampielezam-peo amin'ny onjam-peo dia nahemotra ity tetikasa ity alohan'ny hametrahana azy eo amin'ny sehatra .